--- Mitsoka mafy ny rivotra maneran-tany amin’ny fikatsahana ny fiovana izay tarihan’ireo tanora anatin’ny vondrona GEN Z. Ny tao Nepal noniandohan’izany ary tao anatin’ny roa andro monja dia rava tanteraka nyfitondrana tany an-toerana. Niitatra tamina firenena hafa toy ny tao Indoneziasy Maroc ary any Péru ny toe-draharaha ary izao tonga eto Madagasikara izao. Hevitra niraisan’ireo mpanao hetsika, izay notarihan’ny tanora, ny olan’ny fiainana andavan’andron’ny vahoaka, toy ny fahantrana lalina, nefa ny mpitondra migalabona amin’ny harena sy ny volam-bahoaka, ny kolikoly amina sampan-draharaham-panjakana samihafa, ary koa ny fanovan-drafitra manoloana ny olan’ny tontolon’ny fanabeazana sns... 

Ny resaka jiro sy rano kosa no niandohan’izany hoantsika teto Madagasikara. Ary nampivoaka ireo olana naharary ny sehatr’asa maro izay niotrika sy nangina tao anatin’ny taona maro ny hetsi-pitakiana amin’izao. Ny fijoroan’ny tanora nanohitra ny heverin’izy ireo fa tsy rariny tetsy an-daniny, kanefa novalin’ny mpitondra hery famoretana sy fampiasan-kery tetsy an-kilany, ka zary lasa lavitra ny toe-draharaha.

Raha ny taty amin’ny kaontinanta Afrikanina toy ny tao Mali, Burkina Faso dia nitsangana nanampy nitady ny fiovana niaraka tamin’ny vahoaka ireo tafika. Zavatra nitranga ihany koa hoantsika teto Madagasikara ka nampijoro ny atao hoe « dernier rempart » dia ny tafika avy amin’ny CAPSAT izay tsy nanaiky ny handray baiko avy amin’ny lehibe hanoherana sy hampiasana herisetra hoan’ny vahoaka. Tsy azo lavina ary hiaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanana, fa
manozongozona ny fototry ny fahefana misy sy ananan’izay nampidramina fahefana hatrany ny rivotra mitsoka izay lasa hetsi-pitakiana mahery vaika.

Lasa ihany ny eritreritry ny Arofanina hoe : fa dia nahoana loatra ary aty Afrika foana no misy ity rivo-piarahamonina ity ? Dia ny Arofanina ihany no mba mamaly hoe satria tsy maka lesona ny mpitondra sady tsy mihaino ny vahoaka ; fa mety tsy maka lesona koa ny vahoaka fa tia vao, ary mora diso fanantenana. Efa nandalovan’i Madagasikara ny ankamaroan’ireo hetsi-pitakiana samihafa nifandraika tamin’izay rivotry ny fanovana izay, saingy olana nitoetra hatramin’izay ny tsy fahaizan’ny mpitondra nifandimby teto naka lesona. Toy ny zava-nisy tamin’ny taona 1991, 2002, 2009 ary amin’izao 2025 izao izay toa rivotra roa mihitsy satria sady nifoha ny tanora avy amin'ny Gen Z sy ireo mpianatry ny oniversite no nitsangana koa ireo miaramila sasany niaro ny vahoaka nanao fihetsiketsehana teny an-kianja. Tsy mbola nahay naka lesona tamin’ireo krizy politika nisy hatramin’izay ihany ireo mpitondra nifandimby ary zatra nofahanan-dalitra sy nanipazan’ireo manodidina azy hoditra akondro, izy ireo anefa izay tsy niaro afa-tsy ny tombotsoany manokana, ka dia teo ny valalabemandry. Tsy nanome lanja ny fifampihainoana ny mpitondra, ninia nanakimpy ny maso sy nanampin-tsofina manoloana ireo hiaka sy sintona lakolosy ataon’ny karazan’olona toy ny mpanabe, ny mpanao politika, ny fiarahamonim-pirenena, ireo ray aman-dreny ara-panahy sy ara-drazana, mahakasika ny olana misy mahazo ny vahoaka tsy mandady harona. Aro-fanina hoan’ny mpitondra sy ireo miheritreritra ny hitondra ny fahaizana mihaino, eny fa na ireo heverina ho bitika sy tsy manan-danja raha mihoatra ny fahefana sy mpanohana ny mpitondra aza. Tsy hoe mialoha ny ahazoana ny fahefahana ihany no tokony hahay hihaino, fa tena zava-dehibe ny mametraka izany ho tarigetra hitondra ny firenena. Zava-nisy tamin’ny fitondrana nifandimby ny hoe rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava vao milaza hisokatra sy hampiantso fifampidinihana an-databatra boribory, fankan-kevitra sns...

Matetika mantsy efa rano raraka tsy azo raofina sy mpitsabo aorian’ny fahafatesana ny vahaolana tadiavina mandritra izany. Ny feon’ny vahoaka feon’Andriamanitra, hoy ny fitenenana. Ka rehefa mahay mihaino ny vahoaka sy mitady vahaolana hanamaivanana ny hetahetany sy ny fahasahiranany ny mpitondra, dia tsy tokony ho sendra hetsi-bahoaka sy krizy politika izany. Eny e, manova olona tokoa angamba ny fahefana sy ny vola. Etsy ankilany, aro-fanina lehibe ny fandinihana lalina ireny rivotra mitsoka ireny. Mety amin’ny firenena Malagasy ve ? Sao mantsy lasa fikatsahan- tombotsoan’olom-bitsy fotsiny ihany. Eo koa ny resaka géopolitique izay tsy azo ialàna. Saingy afaka mijoro maneho ny maha izy kosa anefa isika malagasy. Rivotra mitsoka tokoa ireny revolisiona ireny, saingy amin'ny maha rivotra mitsoka azy dia zava-dehibe ny fiomanana mba tsy hahazakany ireo toe- tsaina sy soatoavina toy ny fiombonana, indrindra ilay teny ambara ombieny ho

mampiavaka antsika malagasy dia ny FIHAVANANA.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...