Ny famaritana ny "hanim-pitoloha na hanina fitoloha" dia nivoatra nifanarana tamin'ny fotoana, ka eo izay nangonin'ny Pretra misiônera Zezoita Georges Callet, fa eo koa izay araky ny firaiketana nataon'ny Pastora Ravelojaona. Nanodidina ny vanim-potoana nitondran'ny Mpanjaka Ranavalona-II dia noentina nanantanerahana fomba iray, ho an'ny vehivavy misantatra ny fanenomana landy, eo amin'ny zoro firariazana no hitsofan-drano io olona io ary hanomanana sakafo : Akoholahy mena, akondro vokatra, patsa, toho, sira, horirika, vary. Tara-kevitra avy amin'ny hoe fitoloha : fahavelomana, fahafenoana, fahatanterahana, fahatsaràna, fihavahana, famokarana ary fahavononana.
♦ Tsy nametra-pialàna, araky ny andrasan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nilaza ny manao "mission" any ivelany izy, araka ny kabary nataony, alina... ♦ Nanangon-tsonia hanongànana ny filoham-pirenena eny amin'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka sasany. Andrasana ny mety zava-misy eny Tsimbazaza anio... ♦ Nakatson'ny SSM nanomboka omaly ny asam-panjakàna amin'ireo Ministera maro ao an-drenivohitra. ny 80% amin'ireo ministera sy sampan-draharaham-panjakàna no efa manatevina ny tolom-bahoaka hoy ireo mpitarika sendikà...
Ireo apôstôly dia nanao toriteny nombana fahatakarana satria efa nandray ny Fanahy Masina, ka afaka nahafantatra sy nahatakatra tsara ny maha izy azy an'i Jesoa. Azo ambara fa Jesoa ara-teôlôjika no ambaran'ny mpanoratra ny Evanjely. Jesoa efa fantany sy azony mazava tsara no ampitainy, efa voafakafaka lalina tsara. Tamin'ny niara-niaina tamin'i Jesoa ireo apôstôly dia mbola tsy nahazo hoe iza marina izy... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
• Misy andia-miaramila mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ny hariva teo, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika... • Miisa valo ireo ampahany amin'ny gadra politika nahazo famafan-tsazy faobe, araka ny didim-panjakana voasonian'ny Filohan'ny Repoblika... • Mbola nitohy sy nifanindran-dalana tamin'ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny fanambarana samihafa avy amin'ny sendika sy antoko politika...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco