Zoma 2 jolay 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 9, 14-17

♦ Efa maherin'ny arivo, ireo olona nisoratra anarana, maniry ny hahazo ny trano mora eny Imerintsiatosika, raha toa ka 320 no isan'ny trano vita eny an-toerana... ♦ Nihaona mivantana tamin'ireo tantsaha voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro any Imerintsiatosika, ny FDA na ny Fitaovana ara-bola entina manohana ny mpamokatra sy ny vondron'ny mpamokatra... ♦ Nifarana androany ny fivorian'ny parlemantera. Tsy misy krizy pôlitika eto Madagasikara, ka tsy misy antony hanaovana fiaraha-mitantana na fikaonan-doham-pirenena, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena...

♦ Notontosaina ny 29 sy 30 jona 2022 ny fihaonana voalohany ho an'ireo Ekipa nasiônaly, namondronana ireo valim-panontaniana rehetra manodidina ny Sinaodin'ny Eveka... ♦ Hotontosaina ny 9 sy 10 jolay 2022 ny fivoriana faharoa ho an'ny Filankevitra Fitondrana ny Vahoakan'Andriamanitra, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eny amin'ny FTMTK Ambohipo... ♦ "Aza manao hoe zaza aho, fa handeha any amin'izay hanirahako anao ianao" (Jer. 1, 7a). Io no teny manentana amin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Ankizy eny amin'ny FTMTK sy ny Seminera zandriny Ambohipo, nanomboka androany...

Feno 10 taona tamin'ity taona 2022 ity, no nijoroan'ny TAFO MIHAAVO. Ny talata 22 mey 2012 no nijoro tany ANJA, Kaominina ambanivohitra Iarintsena, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra-ambony ny TAFO MIHAAVO na ny TAmbazotran'ny FOkonolona MIaro ny HArena VOajanahary. Namondron-kery ireo Vondron'olona Ifotony na ny VOI miisa 400 avy amin'ny Faritra 17 mba tsy hiady irery intsony rehefa misy ny tsindry mihatra. Tsy izay nefa no mitranga 10 taona aty aoriana.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...