Ny famoràna dia lanonana lehibe faharoa aorian'ny fandroana tamin'ny fomba malagasy. Ny famoràna dia fomba iray hampidirana ny zazalahy ho ao anaty fiaraha-monina. Ny taona hanaovana ny famoràna dia matetika isa tsy ankasa ary ny fahafito taona no betsaka manao. Ny "FITO" moa dia ahitana foto-tony hoe "ITO", midika hoe tapaka ; maro ny voambolana hilazana ny famoràna any amin'ny Faritra toy ny hoe savatse, sambatra, laza... Misy dingana maromaro amin'ny famoràna : mivaky volo, mifehy voatavo, mitohy temitra, mampaka rano... Misy dikany avokoa ireo karazana fitaovana hampiasaina amin'ny famoràna, natao mba hofirariana ny hasoa sy hatsara ny fiainan-ko avy ho an'ilay zazalahy...
♦ Mitokona ireo mpianatra ho dokotera miasa eny anivon'ny hopitalim-panjakana. Nampitsahatra ny asany izy ireo, noho ny fitakiana fisondrotana tambin-karama 13% toy ireo mpiasam-panjakàna... ♦ Andro faharoa ho an'ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny nosy anio. Ezahina hivoaka faran'izay haingana ny valim-panadinana, satria efa nanomboka omaly ihany ny fitsaràna... ♦ Handray ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, i Madagasikara afaka iray volana. Mananosarotra ny fanomanana amin'ny foto-drafitr'asa, hoy ny eo anivon'ny federasiôna...
05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.
Ny tenan'ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon'ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vahaolana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren'ny zava-boaary nataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin'ny rehetra, araka ny fahamarinana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco