♦ Ambana lehibe ho an'ny ranomasina sy ny morontsiraka aty Madagasikara, indrindra amin'ny far-dranomasimbe Indiana ny fahasimban'ny rohy voahary... ♦ Hanoahana an'i Madagasikara amin'ny fanatanterhana ireo fanavaozana sy ireo fandaharanasam-pampandrosoana rehetra ho an'ny fanarenana ny firenena malagasy ny Banky Iraisam-pirenena, hoy ny Piraiminisitra Ntsay Christian... ♦ Kendrena ho dinihina eny anivon'ny parlemanta roa tonta amin'ny fivoriana ara-potoana amin'ny volana ôktôbra ny volavolan-dalana vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany...

Tranga niainana sy nanakorontana ny fiainam-piaraha-monina tato ho ato, ny fakana an-keriny. Araka ny fanadihadiana, dia hita fa ny zava-mahadomelina no tao ambadik'io fakana an-keriny io. Manentana ny ray aman-dreny, araka izany, hanabe sy hifanakalo hevitra amin'ny zanaka, hanara-maso sy hiaro azy ireo manoloana ny fifandraisana sy ny fisafidianana ny namana sy ny olona hifaneraserana, hampahafantatra azy ny tokony hatao manoloana ny zava-mahadomelina sy ny fitarihan'ny namana...

08 jolay — Zanak’i Bouchard de Marly sy Matilde de Châteaufort, zafikelin’ny mpanjaka Louis VI, i Thibaut. Teraka tao Marly izy, ary toy ireo zanak’andriana rehetra dia nahazo fanabeazana ho miaramila fa tao amin’ny tontolo tena kristianina. Mbola kely izy dia efa nanana fanajana manokana an’i Maria Virjiny izay nambarany fa reny tsara sy mpampianatra malalany.

Ny fitsipi-pitondrantena dia tokony hanaja famarinana : alaviro ny fanaparam-pahefana, ny fangalarana hetra, ny ala-tahaka eo amin'ny taratasy misolo vola, ny fanovana ny taratasy filazam-pandoavana. Manoloana ny andraikitra raisin'ny tsirairay dia tsy mety ny "asa zara fa vita". Mba hanasongadinana ny soa iombonana dia alaviro ny fandaniana mihoatra ny tokony ho izy. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...