Zoma 8 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23

♦ Nanoso-kevitra ny hamerenana ny "subvention" amin'ny vidin-tsolika, toy ny tamin'ny andron'ny Amiraly Ratsiraka, ny antoko VHT. Nambaran'ity antoko ity fa hanalefaka ny fiakaram-bidy, tsy hiteraka fipoahana ara-tsôsialy izany... ♦ Volamena 6 taonina eo ho eo no naondrantsika tany ivelany, teo anelanelan'ny taona 2017 sy 2019. Mitentina 360 tapitrisa dolara ny vola vahiny tsy tafaverina an-tanindrazana tamin'io fanondranana io, hoy ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Naaton'ny Ligim-paritra 12 amin'ny asany ny Filohan'ny Federasiôna Malagasin'ny Karate...

♦ Tsy maintsy mivondrona, manolotra kandida tokana ny antoko mpanohitra, raha te hiatrika ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2023 izy ireo, hoy Andriamatoa Paul Rabary... ♦ Nodimandry alina noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy ny Tale Jeneralin'ny Fandraharahana ny Fonja eto Madagasika... ♦ Manahy ny amin'ny mety hahavitan'ny taom-pianarana 2021-2022 ny sendikan'ny mampianatra mpikaroka sy ny mpikaroka mpampianatra, na ny SECES Antananarivo, manoloana ny fanapahan-kevitra nandritra ny fivorian'ny Filohan'ny Oniversite manerana ny nosy...

07 jolay — Teraka Granada Nicaragua ny taona ny 1902 i María Romero Meneses, nanan-katao tokoa ny fianakaviany. Teo amin’ny faha-13 taonany izy, raha nianatra tao amin’ny masera Filles de Marie Auxiliatrice, izany hoe ny fikambanan’ireo masera salezianina manara-dia an’i Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...