Zoma 8 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23

Tsara hafatra tsara eto ny apôstôly, mba ho malina sy ho tsotra any amin'izay hanirahana azy, ary ho vonona amin'ny zavatra hitranga, indrindra manoloana ny mpanohitra sy ny mpanenjika. Ampahafantariny ihany koa fa tsy mandeha irery izy ireo fa miara-dalana aminy mandrakariva izy Andriamanitra : "Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin'ny Rainareo no hiteny ao aminareo". Izany no manaporofo fa tsy asan'olombelona no ataon'ireto apôstôly ireto fa asan'Andriamanitra, ka izay haharitra hatramin'ny farany ihany no ho voavonjy. Koa na dia toy ny ondry eo afovoan'ny amboadia aza ny zava-misy iainana, dia tsy malemy izy tsy akory, fa eo Andriamanitra ho hery sy tokiny, araka ny voalzan'i Masindahy Paoly hoe : "Izay ataon'izao tontolo izao ho malemy no nofidin'Andirmanirea hampahamenatra ny mahery" (1 Kor. 26-31). Ary mbola hamafisiny any amin'ny 2 Kor 12, 10, manao hoe : "Ny fahalemeko no heriko noho ny amin'i Kristy".

Koa tsy tokony hatoky tena be loatra na hanompo tena toy ny antsikely bezara àry, ireo izay manohy ny asa fanirahana, fa hiantehatra mandrakariva amin'ny herin'izy Andriamanitra mpaniraka. Izay no fahamalinana sy fitandremana tokony hananana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...