♦ Sarona teny amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro, ny bolongam-bolamena miisa 7 milanja 835 grama sy vatosoa 20 grama, saika entina antsokosoko ho any Srilanka... ♦ Tsy misy ampihimamba na Monopole ny fanondranana ny lavanila any ivelany, fa tena malalaka, fa tsy maintsy manara-dalàna ny rehetra te-hisehatra amin'izany... ♦ Fianakaviana iray mpanao charbon avy any Antazoho-Mahabo, indray no nataon'olona Firambany na Kidnapping...
♦ Saika nibahan-toerana tamin'ny fanontaniana sy fitarainana nataon'ireo solombavambahoaka nandritra ny fihaonana tamin'ireo ministra mpikamban'ny governemanta, teny amin'ny CCI Ivato, omaly, ny amin'ireo olana sedrain'ny vahoaka mivantana... ♦ Nosokajian'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ho fitaovana mahomby amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy nanabeazana ny mahaolona manontolo ny radio Don Bosco, tao anatin'ny 25 taona nijoroany... ♦ Mpiasa mendrika sy nahavita be, teo amin'ny asa nosahaniny miisa 19 mianadahy teo amin'ny radio sy ny tranobe Don Bosco eto Ivato no notolorana mari-boninahitra tamin'ny alatsinainy 27 jona, sady famaranana ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny onjam-peo...
Manana adidy ny olom-pirenena ka isan'ireny ny fijorona ho olon'afaka izany hoe miara-miasa amin'ny saina mahitsy. Ny olom-pirenena dia afaka mifanoro ary mifananatra araka ny hitsiny sy ny marina. Adidy miandry ny olom-pirenena ny fanalavirana ny fanararaotam-pahefana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 29 jona 2022 — Masindahy Piera sy Paoly — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco