♦ Tsy tafiditra tao anaty lahadinika teny Tsimbazaza indray, tamin'ity fivoriana ara-potoana ity, ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an'ireo antontataratasy miisa roa ambin'ny folo izay hanenjehana tompon'andraikitra ambony... ♦ Voasambotra ny mpivady izao mpangalatra zaza amin'ny alalan'ny fisolokiana, any amin'ny Faritra Fitovinany sy Atsimo Atsinanana... ♦ Saika androany zoma kosa vao miroso amin'ny fizarana ny taratasy fiantsoana ireo mpiadina BEPC, ireo sekoly...

Manentana ny Eglizy hiara-dia ny Papa François, amin'ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina amin'y oktobra 2023, manoloana ny zava-misy mampivarahontsana iainan'ny zanak'olombelona. Ny firaisan-kina no hery entina misedra ireo olana ireo. Mankahery ny Eglizy izy mba hiombona sy handray anjara ary samy hanatanteraka ny asa fanirahana tandrify ny tsirairay. Hizara telo ny fandaharana entin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, ka hazavainy amin'ity fandaharana ity ny maha-izy ny Eglizy sy ny endrika fiarahan-dia.

Ao anatin'ny volana jona no natokana ho iray volan'ny "teny malagasy". Andrianiko ny teniko fa ny any hafa ihany koa ho feheziko, ity fomba fiteny ity dia maneho fa manana ny lanjany teny Malagasy. Ny teny dia manana ny hasiny izay rindrandamina avy amin'ilay Nahary. Manodidina ny "teny" dia ahitana taratra ny kolontsaina sy izay mahaizy ny firenena iray.  Fandaharana "Miaina sy mitia".Ny teny dia fitaovana entina hifaneraserana amin'ny hafa ary izay no mandrisika antsika hifehy ny tenin'ny hafa, izany anefa tsy natao hanariana ny kolontsaina mahamalagasy...

01 jolay — Teraka tao Homécourt tao Marnes i Masindahy Thierry, ary maty tao Reims ny taona 533. Zanaka tompomenakely sady jiolahy mpandroba an-dalambe antsoina hoe Marcard izy. Tamin’ny andro nanaovana ny mariaziny no nahatsapany ny fiantsoan’Andriamanitra azy mba hiroso amin’ny fiainan’ny mpitoka-monina.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...