Zoma 15 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 1-8

♦ Namoaka fanambarana androany ny firaisamonim-pirenena Rohy, manoloana ny fisondrotry ny vidin-tsolika. Nilaza izy ireo fa tsy mitsinjo ny fahasarotam-piainan'ny Malagasy, ary tsy voahevitra tsara ny fampiakaran'ny fanjakana ny vidin-tsolika... ♦ Tsy hisy, na tsena iray aza, hoesorina ao amin'ny "Petite vitesse", amin'ny fanamboarana ny "téléphérique", eny Soarano, hoy ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana, androany. Nanitsy ny feo mandeha izy, mikasika ity tetikasan'ny Filoham-pirenena ity...

♦ Misokatra ho an'ny zotram-piaramanidina avy atsy la Réunion ny seranam-piaramanidina Toliara sy Tolagnaro araka ny fankatoavana nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Miverina mikatona sy hatsaraina indray ny lalana eny amin'ny 67Ha. Nijery ifotony ny asa fanamboarana ny teknisiana avy amin'ny ministeran'ny asa vaventy... ♦ Lavin'ny sendikan'ny mpiasan'ny Jirama SEMM ny hanomezana ny fitantanana ity orinasam-panjakàna ity ho an'ny tsy miankina na ny vahiny... ♦ Nandao an'i Maldives io maraina io ka voalaza fa hihazo an'i Singapour ny foloha Sri Lankais izay nandao ny fireneny noho ny hetsi-bahoaka...

Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...