♦ Niakatra avy hatrany, fotoana vitsy tao aorian'ny fikaran'ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana, ny vidin'ny entana ilaina andavanandro eto amintsika... ♦ Nampiakatra ny saram-pitaterana 40 hatramin'ny 50%, ny vondron'ireo mpitatitra amin'ny fiara vaventy manerana ny nosy, nanomboka androany. Voakasik'izany ny fitaterana ireo entana ilain'ny mponina andavanandro... ♦ Mitaky ny tsy ho eo ambany fiahian'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera am-perinasa intsony, ireo mpanakanto ao anatin'ny Filakevi-pitantanan'ny OMDA. Nanao fanambarana teny Faravohitra, natrehan'ny artista maro izy ireo, androany...
♦ Hafainganina ny famoahana ny tamberim-bidy azo avy amin'ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany natokana ho an'ny vondrom-paritra, tokony hisitraka izany hoy ny ministra mpiahy... ♦ Mbola mijanona ao anatin'ny krizy amin'ny ankapobeiny ny teo-karena any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana tamin'ity taona 2022 ity vokatry ny fiatraikan'ny valan'aretina Covid-19, nanomboka ny taona 2020... ♦ Ambony ny tahan'ny tsy fananan'asa ao Toliara, mampalahelo fa saika mirona any amin'ny fotondrana posy avokoa ankehitriny ny ankamaroan'ny tanora tsy an'asa...
♦ Nampidi-bola 2 800 miliara Ariary mahery ho antsika Malagasy ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany ho an'ny taona 2019... ♦ Tsy rariny raha ny karana no manjakazaka amin'ny tanin'ny Malagasy, izay ananana taratasy mazava, hoy ireo mponina eny amin'ny Fokontany Morarano-Alarobia, izay nisian'ny fandravana fiangonana omaly... ♦ Ny 66% amin'ny tanjona napetraka amin'ny fambolen-kazo tamin'ity taona 2022 ity no vita ankehitriny...
13 jolay — I Henri dia teraka tamin’ny taona 973 tao Abbach tamin’ny fotoana nahalasanan’i dadatoany Othon le Grand mpanorina Saint-Empire Romain Germanique. Lahy matoa amin’ny zaza efatra naterak’i Henri le Querelleur, duc de Bavière sy i Gisèle de Bourgogne vehivavy hendry sy tia vavaka.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco