♦ Nanara-dia ny fiakaran'ny vidin-tsolika ny saran-dalana sy ny vidin'ny entana ilaina andavanandro... ♦ Mila fandaminana ny tontolon'ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara mba hirindra araka ny tokony ho izy ary ho an'ny tombontsoan'ny vahoaka malagasy, hoy ny filohan'ny sendikà Sypromines Mada... ♦ Mitaky ny fialan'ny ministry ny kolontsaina sy ny serasera ankehitriny tsy ho mpiahy azy ireo intsony ny mpanakanto nofidian'ny artista mpamorona sy mpikambana izay misolo tenan'ny mpanakanto ao anatin'ny filan-kevi-pitantanan'ny OMDA... ♦ Nihena ho 06 ny isan'ireo kandida hifaninana handimby ny praiministra britanika Boris Johnson...
14 jolay — Teraka ny taona 1550 tao Bucchianico i Camille. Mbola kely izy dia maty ny reniny ary tsy dia nisy niraharaha loatra ny fanabeazana azy. Nilatsaka ho miaramila tao amin’ny tafika tao Venise izy avy eo tao Naples. Nanamarika ny fiainan’i Camille ny fitiavany lalao ka mahavery ireo fitaovany sy ny fitaova-piadiana tany aminy.
Ny andry fahatelo mampijoro ny rariny sy ny hitsiny dia "ny hafa" : tsy misy hoy ny Papa François, ny rariny ara-piaraha-monina azo andrandraina raha tsy misy ny firotsahana tsy misy fepetra ho an'ny hafa. Ny andry fahaefatra dia ny tantara, izay ipohiran'ny traikefa rehetra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 14 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco