Alakamisy 14 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30

Ry kristianina havana, amin’ity Evanjely ity na dia andalany telo ihany dia manan-danja loatra satria misy ireo teny fankaherezana ho an’ireo izay mahatsiaro harerahana sy fanagejana, izany hoe ho an’ireo izay tsy manana mpitarika sy andry azo antoka iankinana. Miantso antsika i Jesoa mba hanakim-po aminy. Mampatsiahy antsika izy fa tsy mahavita tena irery isika satria olombelona manam-petra. Izany indrindra no mahatonga azy hiteny hoe : "Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahorina sy mazefatra entana, fa hanamaivana anareo aho". Te-hanamaivana antsika i Jesoa, satria tiany ho sambatra sy ho voavonjy isika. Tiany isika hiombom-piainana aminy, ary ny hahasoa antsika no tanjony. Noho izany, na dia ao anatin’ny fahorina sy ny fijalina àry isika dia tsy tokony ho kivy satria miara-dalàna amintsika hatrany izy. Tsy mahafoy antsika na ovina na ovina, ary manome tànana antsika mandrakariva eo amin’ny fiainantsika izy. Ny hany mba angatahany amintsika dia ny finoana sy ny fandavan-tena ary ny fahatsoram-po mba hitiavantsika azy bebe kokoa sy hitiavantsika ny hafa ihany koa. Ka hahafahantsika miaina marina tokoa araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa mino sy matoky azy mantsy isika dia tsy hisalasala hizara sy hametraka eo am-pelan-tànany ny olana isan-karazany izay mahazo antsika, ny tebiteby sy ny alahelo manjo antsika.

"Ento ny jiogako", hoy i Jesoa. Miantso antsika ihany koa izy mba hahay handà ny tenantsika isika ka hanara-dia azy, izany hoe handao ny fitiavan-tena ka hiaina ny tena fitiavana marina, hankato sy hanaja ary hiaina ny teniny sy ny didiny. Hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny na dia miteraka fijalina ho antsika àry izany indraindray. Tsy mora ny miaina ny maha kristianina, satria mitaky fampandeferana ny sitrapon’ny tena mba hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra ; mitaky fihafiana sy faharetana ihany koa fa indrindra ny fitokiana sy ny fifikirana amin’Andriamanitra. Izany no mahatonga an’i Jesoa miteny hoe : "Mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po aho".

Toa sarotra amin’ny voalohany ny fahitantsika ny fepetra ambaran’i Jesoa, fa izay miaina izany tsikelikely dia mahita hafaliana sy fiadanam-po. Loharanon’ny fitiavana marina sy fahafahana ary fiombonana amin’ny hafa ny fampianarany. Koa aoka àry isika hanatona azy tsy am-pisalasalana sy am-pinoana marina tokoa mba hahita fiadanana eo amin’ny fiainantsika. Manatona azy amin’ny famangiana ny Sakramenta Masina, manatona azy amin’ny tenin’Andriamanitra, manatona azy amin’ny alalan’ireo mpianany nofidiny, manatona azy amin’ny alalan’ny Sakramenta.

Ry Ray ô, tsy irery izahay amin’ity fivahiniana fandalovana ety an-tany ity fa manana ny zanakao zokinay. Hatoky azy isan’andro anie izahay ka hanana fiadanam-po manoloana ny fahasahiranana atrehinay amin’ny fiainana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...