Zoma 15 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 1-8

Ry kristianina havana, voaheloky ny Farisianina eto ny mpianatr’i Jesoa noho izy ireo tsy nanaja ny andro sabata. Tsy noho izy ireo noana ka nioty salohim-bary fa izy ireo tsy niala sasatra ny andro sabata. Voadidy araka ny lalàn’i Moizy, tsy hanaovana na inona na inona mantsy io andro io (Eks 20, 8). Andro nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny fahariana (Jen 2, 2-3), niasa tamin’ny fahariana nandritra ny henemana fa nitsahatra tamin’ny andro fahafito. Io fitsaharan’Andriamanitra io no nalain’ny Jody tahaka, eny fa na dia ny biby, ny mpanompo koa aza mitsahatra (Eks 23, 12 ; Dt 5, 14). Tahaka ny andro sarobidy nomen’Andriamanitra ny vahoaka Israely ka sarotiny izy ireo ny mitandrina izany ara-bakiteny. Noho izany tsy nisalasala izy ireo manameloka izay tsy mitandrina izany amin’ny antsipiriany.

Tsy niahotra koa i Jesoa niaro ireto mpianany nanara-dia Azy. Nomen’i Jesoa lanja ny fikolokoloana ny aina, toy izay ny lalàna hoy Izy, tahaka ny nataon’i Davida niditra tao an-tempoly rehefa noana, nandray ny mofo natokana ho an’ny mpisorona ihany. Nampandinika koa i Jesoa fa na ny mpisorona aza mandika ny lalàna koa amin’ny fanomanana ny sorona sy ny fandiovana ireo fitaovana masina. Noraisin’i Jesoa ny tenin’ny mpaminany Osea 6, 6 : "Ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona". Mampahatsiahy i Jesoa ny fahaizana mandanjalanja fa tsy ho hentitra loatra amin’ny fampiharana ny lalàna, fa hahay hampiasa ny antanatohatry ny soatoavina. Ary nolazain’i Jesoa fa "Tompon’ny sabata aza ny zanak’olona". Midika fa lehibe noho ny sabata Izy. Tsy ny olona no ho an’ny sabata fa ny sabata natao ho an’ny olona (Mk 2, 27). Mampianatra i Jesoa, tsy noho Izy manam-pahefana amin’ny maha Andriamanitra azy fa te hamerina amin’ny toerany ny maha izy an’Andriamanitra amin’ny maha fitiavana azy, dia Andriamanitra famindram-po.

Tafiditra tao anatin’ny tsy fitovian-kevitra matetika tamin’ireto Farisianina sy ny mpanora-dalana àry i Jesoa. Izy izay tsy tonga handrava fa handavorary ny lalàna sy ny mpaminany (Mt 5, 17). "Ho sitrak’Andriamanitra ve ny hahita ny zanany mijaly noana amin’ny andron’ny sabata, Izy izay manome ny sakafo amin’ny fotoany ary manokatra ny tanany sy mamoky ny soa avy aminy ho an’ny miaina rehetra" (Sal 145, 15-16) "eny fa hatramin’ny biby fiompy sy ny goaika mitaraina aminy" (Sal 147, 9). Izay te hanamasina ny andro sabata dia tsy maintsy hahatsiaro ny tena anton’ny fitsaharana, hahatsiaro ny andro fanafahana sy fanavotana teo ambany fanandevozana ka nahatonga azy ireo ho olona afaka. Ny manamasina ny sabata dia manome voninahitra ilay Andriamanitra mpamindra fo, izay miahy ny vahoakany. Tsy ho tanteraka izany raha tsy ireo zanany izay tiany dia tonga tahaka azy mpamindra fo.

Ho antsika kristianina, i Jesoa no ilay Paka Vaovao izay ankalazaina isaky ny alahady izay sabata ho antsika. Tandindona ihany no niseho tamin’i Moizy fa Izy no fototry ny finoana mitondra amin’ny fahafahana tena lavorary.

Ry Ray ô, ataovy mahita ny soa sy ny tsara ho an’ny mpiara-belona aminay izahay fa tsy ho maika ny hitsara sy hanameloka azy ireo noho ny fanarahana ara-bakiteny ny lalàna ka haka tahaka an’i Jesoa, ilay miaro sy manome lanja voalohany ny fikolokolona ny aina. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...