18 jolay — Zafikelin’i Radbod i Frédéric. I Masindahy Richfried no nanabeaza azy, eveka tao Utrecht izy io. Nohamasinina ho pretra izy ary fanta-daza tamin’ny fifehezan-tena mafy. Nolaviny ny fifidianana azy ho eveka tao amin’ny diosezy.

Ao amin'ny olombelona, ny fahafahana dia famantarana ambony dia ambony an'ilay endrik'Andriamanitra. Noho izany, famantarana ihany koa ilay fahamendrehana tsy anoharana ananan'ny olona tsirairay. Ampiasana ny fahafahana eo amin'ny fifandraisan'ny samy olombelona, manana zo voanjanahary ho raisina ho olona afaka ny tsirairay. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 18 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...