Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 15, 5-12. 17-18)

Nanao fanekem-pihavanana tamin’i Abrama Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Abrama dia nentin’Andriamanitra nivoaka ka nilazany hoe:

“Atopazy hijery ny lanitra ny masonao
ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”.

Ary hoy Izy taminy:

“Ho tahaka izay ny taranakao”.

Ary nino ny Tompo i Abrama; ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.
Ary hoy Izy taminy:

“Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina,
mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy”.

Hoy ny navalin’i Abrama:

“Tompo Andriamanitra ô,
inona no hahafantarako fa hanana izany aho?”

Dia hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray,
osivavy efa telo taona iray,
ondrilahy efa telo taona iray,
domohina iray, ary vanto-boromailala iray”.

Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo,
ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny;
fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama.
Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama,
ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro,
dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.
Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama ny Tompo nanao hoe:

“Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta
ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 7-8a. 8b-9abd. 13-14

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko
zovy no hangovitako?

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso;
iantrao aho ka valio.
Tadiavo ny Tavako, hoy Ianao:
ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.

Aza afenina ahy ny Tavanao;
aza roahina ity mpanomponao!
Aza manary, aza mahafoy,
ry Andriamanitra Vonjiko ô!

Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo
no ho hitako any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 17 — 4, 1)

Hanova endrika antsika hitovy amin’ny vatany be voninahitra i Kristy.

Ry kristianina havana: makà tahaka ahy ianareo;
ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay.
Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny,
fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy.
Fahaverezana no hiafaran’ireny,
fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany,
ny zavatry ny tany no hany ankamamìny.
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika,
ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity,
ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra,
araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.
Koa amin’izany, ry kristianina havana mamiko indrindra,
fifaliako aman-tsatro-boninahitro,
mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 20 — 4, 1)

Hanova endrika antsika hitovy amin’ny vatany be voninahitra i Kristy.

Ry kristianina havana:
Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika,
ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo,
izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity,
ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra,
araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra.
Koa amin’izany, ry kristianina havana mamiko indrindra,
fifaliako aman-tsatro-boninahitro,
mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, re ny feon’ny Ray nanao hoe: “Ity no zanako malalako, henoy Izy”.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 28b-36)

Niova toetra ny Tarehiny raha mbola nivavaka Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany
ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka.
Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny
sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany.
Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia,
izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany
izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema.
Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy,
dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy.
Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa:

“Ry Mpampianatra ô,
mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto,
ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”;

tsy fantany anefa izay nolazainy.
Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo,
ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona.
Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako, henoy Izy”.

Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita.
Ary nangina ireo mpianany
ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany
izay zavatra hitany teo.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo.

Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

Nivavaka toy ny miady aina i Jesoa tao amin'ny sahan'i Getsemania, rentsika tsara ny vavaka nataony tamin'io "Ray o! Raha azo atao, aoka esorina amiko ity kapoaka ity..." Na Andriamanitra aza i Jesoa dia tena nihorohoro sy natahotra ny fahafatesana fatratra tokoa. Mampianatra antsika i Jesoa amin'ny vavaky ny mpisorona mba tsy hisasraka amin'ny vavaka na miady aina aza... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...