♦ Mampiaka-peo manoloana ny delestazy lavareny misy ankehitriny ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa sy ny fikambanana hafa. Tokony ho entina eny amin'ny JIRAMA ny fitaovana simba any an-tokantrano ahitany ny fahavoazana hoy ny PMH. Mikasa hidina an-dalambe ny fikambanana Gasy Miaro ny Rariny... ♦ Tsy manao ambanin-javatra ny fanadinana BEPC katôlika ireo mpiadina niatrika izany. Tafiditra amin'ny fanadinana tanterahana any am-pianarana mantsy izany ; nifarana omaly ny BEPC Katôlika... ♦ Notoloran'ny PAM fiara tsy mahataho-dalana, ampiasan'ireo foibem-paritra any amin'ny tapany atsimon'ny nosy ny ONN...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...