Alahady 08 jona 2025. Alahady Pantekôty : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana, ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao. Dimapolo andro lasa izay no nankalazàna ny Paka, ny Pantekôty toa izao no handraisana ny Fanahy Masina izay efa nomena ny Apôstôly, ho fanazavana ho an'ny saintsika ary ho hery ho an'ny fontsika, mba hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy. Ny Pantekôty no fahatanterahan'ny fampanantenana nolazain'i Jesoa Kristy tamin'ireo Apôstôly, dia ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Mpianany sy Masina Maria...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...