Talata 28 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

♦ Olona efatra vaovao indray no sitrana soa aman-tsara teto Madagasikara tamin'ireo nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Matoky tanteraka ilay fanefitra novokarin'ny IMRA, dia ny CVO Organics ny any Guinée-Bissau, tarihin'ny Filohany Andriamatoa Umaro Sissoco Embaló... ♦ Amin'ny ankapobeny dia 75% ireo olona teny an-dalambe dia nitondra ny aro-tava avokoa nanomboka androany...

♦ Tsy tokony hanaovana ady hevitra pôlitika ny voka-pikarohan'ny Malagasy mpikaroka hoy i Ramatoa Lalatiana Ravololomanana... ♦ Vehivavy miisa 160 hatramin'ny omaly no nisitraka ny fitaterana maimaim-poana mankany amin'ireo hôpitaly lehibe telo ampiharana ny fitaterana maimaim-poana ny vehivavy mitondra vohoka, iarahana amin'ny FNUAP...

♦ Ho voasazy ireo mivoaka ny trano ka minina tsy mitondra sy manao araon-tava. Fepetra mihatra manomboka androany... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny FFKM mba hohajaina ny fahafahan'ny renetra amin'ny safidiny izay ataony fa tsy atao an-tery ny fanomezana ny tambavy any an-tsekoly... ♦ Hampiato ny asany manomboka androany ny ankamaroan'ny fiara fitateram-bahoaka ao an-drenivohitra...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...