♦ Efatra andro nisesy izao, tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ireo natao fitiliana teny amin'ny Institut Pasteur, nitombo 6 ihany koa ny olona sitrana tato anatin'ny 24 ora... ♦ Naheno ny paik'ady nampiharin'i Madagasikara amin'ny ady amin'ny Coronavirus ny Filoha Congolais ka niresaka manokana tamin'ny Filoha Malagasy omaly ny amin'ny fampiasana ny Artemisia...
♦ Mitohy ny fikatonan'ny Fiangonana Katôlika rehetra manerana ny Nosy ho fanajana ny fampiharana ny fepetra momba ny hamehana ara-pahaslamana manoloana ny fisian'ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Mirongatra ny tazomoka any amin'ny faritra Anosy. Misy ny efa maty vokatr'izany... ♦ Laharam-pahamehana amin'ny fanombohan'ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana amin'ny fampianarana any an-tsekoly ny famerenana ny fifantohana eo amin'izy ireo...
(22-04-2020) Mba nahita fahatsaram-piainana ve ianao niaraka tamin'ny ireo vadiaman-janakao tao anatin'ny fihibohana izay?
♦ Olona 52 amin'ireo 121 mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus no efa sitrana ka nalefa nody any amin'ny fianakaviany... ♦ Isan'ireo mararin'ny Coronavirus ka sitrana ny mpitandrina Riana Lalasoa Razafintsalama. Harahantsika ny fijoroana ho vavolombelona nataony... ♦ Niverina an-tsekoly naomboka omaly ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea sy ny BEPC manerana ny Nosy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco