Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara no sitrana soa aman-tsara... ♦ Tsy ofisialy ary tsy avy amin'ny IMRA ny antontan-kevitra misy kisary famantarana ny IMRA izay milaza ny taharo na ny fangaro ao anatin'ny CVO... ♦ Mirongatra ny fandripahana ny harena voajanahary eto Madagasikara tao anatin'ny telo herinandro nisian'ny fihibohana...

♦ Tsy eken'ny antoko TIM ny fanaovana hosoka amin'ny fampiasana ny antoko hanaovana fanambarana any amin'ny tambazotran-tserasera... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina Coronavirus ny mpandraharaha sinoa... ♦ Hanamboatra tohadrano lehibe afaka mamatsy rano amina lemaka midadasika ao amin'ny vavaranon'i Sakamahery ny faritra Atsimo Andrefana...

♦ Niampy iray indray ny faritra ahitana olona mitondra ny Coronavirus eto Madagasikara. Tranga iray no hita tany Tolagnaro, faritra Anosy... ♦ Nanao aro-tava avokoa ny 75% ireo olona teny an-dalambe raha ny tatitra nataon'ny tompon'andraikitra... ♦ Mitaky ny hanokafana ny toby fiantsonanan'ny fiara ireo misahana ny zotram-pirenena eny amin'ny fasan'ny Karana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...