Alarobia 29 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony ; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

0 : 00

Iray ihany ny mofon’ny fiainana izay maharitra mandrakizay, dia Jesoa zanak’Andriamanitra. Izy no nirahan’ny Ray eto amin’izao tontolo izao mba hanavotra antsika izay maty tao anatin’ny fahotana. Izay mino izany dia avy amin’Andriamanitra fa izay avy aminy mantsy dia tsy mba ho very satria ny faniriany dia ny mba handovan’ny olona rehetra ny fiainana mandrakizay.

Manoro sy mampianatra antsika ny lalana mankany amin’Andriamanitra Ray eto i Jesoa amin’ny alalan’ny teniny. Fa mbola nampiany ihany koa anefa izany fa Izy no sakafon’ny fiainana raha te hahazo herim-panahy sy finoana isika. Ao amin’ny Eokaristia arak’izany no hahitantsika an’io sakafom-panahy io. Ao no hahitantsika hery sy hampitombo ny finoantsika ary hanekentsika ny tenin’i Jesoa.

Fa raha ohatra isika ka mandray an’i Jesoa nefa tsy miaina izay nolazainy dia mitovy an’ireo vahoaka tamin’izany "nahita nefa tsy nino". Ny finoana akory tsy hoe mihaino fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa indrindra manatanteraka izany am-pitiavana. Ary izay no miantoka ny fahazoana ny fiainana mandrakizay. Irin’Andriamanitra àry isika mba hiaina ny finoana mandrakariva satria tiany hiaraka Aminy ary tsy misy havelany ho very izay mino Azy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...