Talata 28 aprily 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 30-35 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

0 : 00

Mitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa Kristy mahakasika ny sakafo izay maharitra mandrakizay. Eto dia tsy nino izay voalazan’i Jesoa ny vahoaka satria dia mbola nangataka famantarana hafa indray ankoatr’ilay fahagagana tamin’ny fampitomboana ny mofo.

Nahitsin’i Jesoa avy hatrany anefa ny fisainan’izy ireo fa tsy i Moizy no nanome ilay mofo mana avy any an-danitra ho an’ireo vahoaka Hebrio tany an’efitra fa Andriamanitra Ray mihitsy. Fa ny tena mofo nidina avy any an-danitra anefa dia tsy ny mana velively fa Izy Jesoa mihitsy izay mofo mahavelona mandrakizay. Izy ilay mofo izay hinoantsika ao amin’ny Eokaristia.

Matetika koa anefa dia voan’ny fakam-panahy sahala amin’ireto vahoaka ireto isika kristianina. Mangataka famantarana mba hino. Fangatahana ara materialy no vavaka mameno ny fontsika. Tsarovy anefa fa manome mihoatra izay hangatahantsika i Jesoa. Toy izany no nataony tamin’ireto vahoaka ireto, raha mofo tsotra no nangatahin’izy ireo, dia i Jesoa kosa anefa manome ny mofon’ny fiainana izay avy any an-danitra dia Izy tenany.

Mitoera ary isika mandrakariva ao amin’ny Tompo, ary enga anie tsy hikatsaka afa-tsy ilay mofo velona izay avy any an-danitra ilay antoky ny famonjena antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...