♦ Hisantatra ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona amin'ny 27 jona 2023 ny tananan'i Madiokely, vavahadin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Tontosa ny 17 sy 18 jona 2023 tao Ankaditsiary, Distrika Amborompotsy - Ambositra, ny fametrahana an'i P. Cataldo Antonio, sj, tao amin'ny fasana vaovao, hiandrasany ny fitsanganan-ko velona... ♦ Nankatoavin'ny Papa François ny 22 jona 2023 ny maha-olona hajain'ny Eglizy an'i Masera Lucie dos Santos, ilay nisehoan'i Masina Maria tao Fatima, Portugal...

30 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

29 jona 2023 — Masindahy Piera sy Paoly, Apôstôly — Fankalazana manetriketrika — Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

28 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

27 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

26 jona 2023 — Fetim-pirenena Malagasy — Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo. Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz. 9, 1-6)

Hanala ny jioga nanavesatra azy Andriamanitra, ary hanome fiadanana tsy manam-pahataperana.

Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito,
nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana,
namirapiratan'ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy,
ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoraka azy,
dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty mihosin-dra rehetra,
dia atao anaty afo: ka levon'ny afo.
Fa misy zaza teraka ho antsika;
zazalahy nomena antsika;
ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga,
Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay,
Andrian'ny fiadanana,
mba hanitatra ny fanjakana,
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana,
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny,
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika no hanatanteraka izany.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny hafa azo ifidianana:

Fanisana 6, 22-27 : Hiantso ny Anarako amin'ny zanak'i Israely izy, ary Izaho hitso-drano azy.
Izaia 32, 15-20 : Ny vokatry ny fahamarinana dia ny fandriam-pahalemana.
Izaia 57, 15-19 : Fiadanana ho an'ny lavitra, fiadanana ho an'ny akaiky.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Ankalazaina mandrakizay ny Anaranao, ry Tompo.

Hihaino izay lazain'ny Tompo aho;
moa tsy fiadanana no lazainy
ho an'ny olony mpivavaka aminy,
ho an'izay manankim-po aminy?
Akaiky an'izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany,
ny rariny mizotra anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 3-14)

Nitso-drano antsika ao amin'i Kristy tamin'ny tso-drano rehetra am-panahy Andriamanitra.

Hisaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin'i Kristy,
amin'ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra
sy nifidy antsika tao aminy talohan'ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin'ny alalan'i Jesoa Kristy isika:
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin'Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin'ny Rany,
sy ny famelana ny fahotantsika, araka ny haben'ny fahasoavany,
izay nomen'Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin'ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin'ny safidim-pony,
izay nofidin'ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.

Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasàn'Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika nanantena an'i Kristy rahateo.
Tao aminy ianareo no nino,
rehefa nahare ny tenin'ny fahamarinana,
ny Evanjelin'ny famonjena anareo,
ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina,
Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika,
mandram-pahatanteraky ny fanavotana
an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny hafa azo ifidianana

Filipianina 4, 6-9 : Hiaro ny fonareo sy ny sainareo anie ny fiadanan'Andriamanitra.
Kôlôsianina 3, 12-17 : Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'i Kristy.
Jakôba 3, 13-18 : Izay mampihavana dia mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fivavahana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo.
Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)

Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena anareo ho fanampiny ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza manahy ianareo manao hoe:
‘Inona no hohaninay,
na inona no hosotroinay,
na inona no hotafinay?’
Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany;
ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany.
Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany,
dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny.
Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo,
fa ny ampitso hanahy ny azy,
ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely hafa azo ifidianana

Joany 14, 23-29 : Fiadanana no avelako ho anareo.
Matio 5, 13-20 : Aoka ho lehibe noho ny an'ny Farisianina ny fahamarinanareo.
Matio 20, 20-28 : Izay lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo.
Joany 8, 12. 30-36 : Izaho no fahazavana... ary ny fahamarinana no haha-olona afaka anareo.
Joany 10, 1-10 : Izaho kosa tonga mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.

25 jona 2023 — Alahady Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 26-33)

♦ Ilaina ny fananana hambom-po, manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ankehitriny, hoy ny FFKM... ♦ Manatanteraka hetsika manokana ho fiarovana ny zaza, ny sampan-draharaha misahana ny ankizy tsy ampy taona, eo anivon'ny Pôlisim-pirenena... ♦ Nohelohin'ny Fitsarana, sazy mihantona roa taona, i Doris sy i Nambinina, araka ny didy nivoaka androany maraina...

♦ Tsy mbola nilaza ny hevitry ny HCC ny filohany androany, raha nanontaniana momba ilay raharaha fizakan'ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny zom-pirenena frantsay. Miandry "saisine" ny HCC, araka ny voalazan'ny lalàna, hoy izy... ♦ Hahazo zara tombony amin'ny QMM amin'izay ny Fanjakana Malagasy, anatin'ny fifanarahana vaovao amin'ny fitrandrahana fasi-mainty ataony any Taolagnaro... ♦ Hivoaka alohan'ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny valim-panadinana CEPE 2023, hoy ny fampitam-baovaon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Jenezy (Jen. 17, 1-2. 9-10. 15-22)

Hanao fanekena mandrakizay aminao sy amin’ny taranakao aho mba ho vahoakako ianareo.

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama
dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra;
mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”

Hoy Andriamanitra koa taminy:

“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.
Ka ny fanekena hotandremanareo,
izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao:
Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”

Hoy koa Andriamanitra:

“Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany.
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao.
Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”

Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe:

“Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray!
Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”

Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra:

“Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”

Kanefa hoy Andriamanitra:

“Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao:
hataonao Isaaka no anarany;
ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho,
dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho,
ka efa nitso-drano azy Aho;
hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra.
Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy
hotongaviko ho firenena lehibe.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka,
izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao,
raha avin-taona toy izao.”

Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra
dia niakatra Izy niala teo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Hivimbina antsika avy any Siôna ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.

Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.

Tamin’izany andro izany,
raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa,
dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:

“Tompo ô, raha mety Ianao,
dia mahay manadio ahy.”

Ary i Jesoa naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy ka nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao.”

Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 15, 1-12. 17-18)

Nino ny Tompo i Abrahama ary neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.”

Fa hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko
dia i Eliezera avy any Damasy.”

Nanampy teny ihany i Abrahama:

“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”

Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.”

Dia nentiny nivoaka izy, ka nilazany hoe:

“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao
ka isao ny kintana raha mahaisa azy ianao”,

ary hoy Izy taminy:

“Ho tahaka izay ny taranakao.”

Ary nino i Abrahama ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany.

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina,
mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Ry Tompo Andriamanitra ô,
inona no hahafantarako fa hanana izany aho?”

Dia hoy ny Tompo taminy:

“Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray,
osivavy efa telo taona iray,
domohina iray ary vanto-boromailala iray.”

Dia nentin’i Abrahama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo,
ka nosasahany roa mitovy avy izy rehetra ireo,
dia nifampifanandrifiny avy ny vakiny;
fa ny vorona kosa tsy mba nosasahany.
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza,
fa noroahin’i Abrahama.
Raha ilay nilentika iny ny masoandro,
dia rendriky ny torimaso mafy i Abrahama,
ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Nony maty ny masoandro ka efa maizina ny andro,
dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra
namakivaky iretsy biby voasasaka.
Tamin’izany andro izany,
nanao fanekena tamin’i Abrahama ny Tompo nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity,
hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe,
dia i Eofrata izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo!
Antsao ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga.

Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny Heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.

Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny,
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
sy nianianany tamin’i Isaaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa,
fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Ny voany no hahafantaranareo azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo
manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;
ny voany no hahafantaranareo azy.
Moa mioty voaloboka amin’ny tsilo va ny olona,
na voan’aviavy amin’ny hery?
Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara,
ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy.
Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy,
ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara.
Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara
hokapaina ka hatsipy ao anaty afo:
ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...