26 jona 2023 — Fetim-pirenena Malagasy — Ny fonenako ho eo ambonin'izy ireo, hoy ny Tompo. Izaho ho Andriamanitr'izy ireo, ary izy ireo ho vahoakako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt. 6, 31-34)

Mifampiarahaba isika nahatratra izao Fetim-pirenentsika izao. Miteny amintsika Andriamanitra. Miantefa amintsika ny teniny eo anatrehan’izao fahoriana lalina mianjady amin’ny firenentsika izao, satria toa be fanahiana loatra mantsy isika. Tsy tokony hahamaika antsika ny hohanina na ny ho sotroina na ny ho tafiana. Tsy hoe tsy ilaina akory izany fa mbola misy ambony kokoa noho izany dia: ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany. Angamba tsy ampy loatra ny fikatsahantsika izany fa variana amin’izay mahasoa ny tenantsika, ny vatantsika, ny fianakaviantsika, ny mpiara-misosy amintsika, ny iray antoko amintsika, ny iray fihaviana isika ka hadino tanteraka Andriamanitra. Aza variana amin’ny rentirenty ivelany fa ny ao anaty tadiavina. Aza manao salobon-komana ka tsy mahalala afa tsy ny tena ihany, fa eo koa anie ny hafa e! Tsy natao hiolonolona velively isika fa natao hiara-monina ka aza hodian-tsy hita izy ireny. Voalohany tsara miara-monina amintsika anefa, tadidio tsara, dia Izy Andriamanitra, hita mibaribary izany amin’ny fankalazaintsika isan-taona ny Noely ka ilazana ny hoe: “Emanoela” na “Andriamanitra miara-monina amintsika”. Tsarovy fa rehefa tsy miaraka amintsika Izy Andriamanitra fa ahilika dia misosoka haingana Ilay Ratsy, ny demony. Koa amin’izay atao rehetra àry, no aoka hikatsahantsika io Fanjakan’Andriamanitra io fa mazava ny lazain’i Jesoa eto: “homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny”.

Faranany amin’ny tsy tokony hahabe fanahiana, hoy Izy: “Aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy”. Matetika anefa tratran’io isika, hany ka tsy mahavita zavatra. “Ny ahiahy tsy ihavanana”, hoy ny fitenintsika. Fa samy tsy mety na amin’ny hafa na amin’ny tenantsika isika no be fanahiana. Izany hoe: miahiahy ny tena na hahavita zavatra na tsia sy ny hoe sao tsy ho vitan’ny hafa koa izay eritreretina. Diniho tsara anie fa raha toa ka miahiahy loatra isika dia tsy hivoaka ny trano akory sao maty any, eny fa na mijanona ao an-trano aza. Koa tsy vao mainka ho loza ny hanjo! Tsy midika akory izany fa tsy mahazo mieritreritra izay hatao fa tsy mety ilay izy raha diso tafahoatra. Ankino amin’Izy Tompo izany rehetra izany.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...