28 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 15-20)

Mampitandrina eto i Jesoa amin’ny mpaminany sandoka. Basy atifi-kavana ny Azy ka tonga dia arangarangany. Nisy, misy, ary mbola hisy io mpaminany sandoka io. Tsiahivina foana izany fa mbola misy tratra ihany. Efa lazainy mazava eto ny fomba hahafantarana azy: mody manao fitafian’ondry, izany hoe: malefaka imaso kanefa manindrona ivoho, mody tsara ivelany kanefa anatiny zava-doza… Koa mitandrema isika amin’ireny manao izay hisintonana ireny, manao izay hambabo fo, ireny dokam-barotra amin’ny finoana na fivavahana ireny, ireny mijoro amoron-dalana na mitetitety trano ireny… “fa ny voany no hahafantaranareo azy”, ataony izay haharoboka antsika avy eo ny kely an-tanana tsy amelany fa tsy maintsy omena azy. Mody Anjely mahafatifaty am-panombohana fa hay demony mahatsiravina avy eo. Aoka isika tsy ho voajonon’ireny, tsy ho voasarik’ireny, fa tano mafy ny finonana ananana. Aza ankinina amin’izay zava-manodoka ny mandrakizay antsika fa hitana sy handalina izay efa narahina. Aza voarebireby amin’izay lazaina ho fanasitranana eo no ho eo fa ny fitozoana amin’ny finoana sy ny faharetantsika no haha voavonjy antsika. Aza adinoina ny lazain’i Jesoa teo hoe: ambodia mitoha, noana, masiaka no miandry antsika sy manodidina antsika, sady miha romotra izy izao ankehitriny. Entintsika manohitra an’ireny ny finoana mafy orina. Marihina aloha fa tsy hoe izay rehetra manao izany akory dia tsy izy avokoa, fa mila mitandrina isika, aoka ho malina. Tsy kely lalana ny ratsy. Ny doka mantsy matetika tsy azo ianteherana fa mamitaka. Ary ny tsara tsy ilàna anaovana doka akory kanefa ifanotohofana. Tsy misy tsara mamoaka ratsy izany: tsy azo avy amin’ny tsilo ny voaloboka na ny aviavy amin’ny hery fa rehefa voaloboka dia voaloboka, rehefa aviavy dia aviavy, tsilo dia tsilo. Ny mazava sy ny haizina mifanosika, toy izany koa ny tsara sy ny ratsy. Noho ny batemintsika dia zanaky ny mazava isika ka aza avela hanalokaloka antsika ny haratsiam-pahotana.

Ankoatra izany, isika mamoa no andrasan’Andriamanitra, araka ny hoe: “Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara”; ka avoahy izay voa tsara avy amintsika fa aza ireny voa apetapetaka avy any ivelany ireny mba hambabo fo ny mahita toy ny ataon’ny mpivarotra sasany. Mody hoe mamelana kay mandravina fotsiny. Na misy voany aza tsy tena izy fa hafa mihitsy, ka tandremo. Tohero, reseo ny ratsy fa tsy hahavoa antsika izy. Aza manaiky ho tafiditra amin’ny vela-pandrika ataony. Enga anie isika tsy ho tratran’ity tenin’i Jesoa ity hoe: “Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara, hokapaina ka hatsipy ao anaty afo”.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...