♦ Hamaha olana hampalaky ny raharaham-pitsarana ny fandraisana mpiraki-draharaha vaovao, tanterahina anio zoma 25 avrily ary hitohy rahampitso sabotsy 26 avrily ny fifaninana handraisana mpianatra ho mpirakidraharaha... ♦ Mitaky ny handraisana ho mpiasa ireo andiany faha-9 nahavita fianarana teo anivon'ny ENSET eny anivon'ny sekoly teknika ireo mpianatra nivoaka ny taona 2022-2023... ♦ Famatsiam-bola mitentina 1.000.000 Euro no omen'ny fitondrana Frantsay ho an'ny tetik'asa Ony, amin'ny fampivelarana ny tanora Malagasy amin'ny sehatry ny kanto nomerika... ♦ Anatin'ny fanomanana farany mialoha hiatrehana ny fandevenana an'ny Papa François, ny ao Vatican...
Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra 2024 ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
Mila samy mianatra mandray andraikitra ny tsirairay fa samy tompon’ity tontolo ity matoa noharin’Andriamanitra, samy manana anjara asa isika rehetra amin’ny hanatsarana ity tany ity na anatin’ny fahasamihafana, izany hoe fanabeazana amin’ny soatoavina sy fahaiza-miaina. Ilaina ny fanohanana ara-tsaina, ara-panahy raha toa ka misy olona efa miaina miaraka amin'ny VIH/SIDA mba hanome hery azy ahavitany hatramin'ny farany ny fitsaboana izay tokony ataony mba tsy hamindra amin'ny hafa intsony... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Ny fanalàna ny firenena anaty fahantrana lalina no laharam-pahamehana kokoa noho ny fitakiana ireo NOSY MANODIDINA hoy ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin'ny famaranana ny fivoriamben'ny COI... ♦ Olana ara-teknika tamin'ny groupe nampiasaina no nahatonga ny fahatapahan'ny herianaratra nandritra ny fandraisam-pitenenan'ny filoha Andry Rajoelina,nitondra fialan-tsiny momba izany ny NYR IMAGE tompon'antoka tamin'ny fikarakarana... ♦ Mianatry ny Lycée Manjakandriana miisa 5 mianadahy no maty dobo an-drano tao Antsanitia Mahanjanga... ♦ Miisa 40 eo ireo vondron'olona, hitondra ny teny fisoarana ho an'ny Pape François, mialohan'ny fandevenana azy...
Ny fitambaramben'ny mpino, izay voahosotr'ilay Masina dia tsy mety ho diso ; ary izany satany manokana izany dia asehony amin'ny alalan'ny fahiratan'ny finoana eo amin'ny vahoaka manontolo, rehefa aharihariny ny firaisana saina iombonambe mikasika ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy resaka demôkrasia no miantoka ny fahamarinan'ny finoana... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Nandray ny fihaonana an-tampon'ny COI tety Ivato i Madagasikara androany. Nisongadina fa ilaina paik'ady fiarovana ireo ambana mitatao amin'ireo faritra ara-toe-karen'ny fari-dranomasimbe Indiana amin'izao... ♦ Nisy olana tampoka ny famatsiana herinaratra nandritra ny fanokafana ny fihaonana an-tampon'ny COI tetsy amin'ny CCI Ivato, androany... ♦ Naverin'ny Fanjakàna Maorisiana eto Madagasikara ny vongam-bolamena milanja 25,5kg naondrana an-tsokosoko. Nanolotra izany tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Praiministra Maorisiana, Navin Ramgoolam... ♦ Nitondra fanovàna momba ny fombafomba atao mandritra ny fotoam-panevenana Papa ny Papa François...
♦ Tanterahana etsy amin'ny CCI Ivato ny fihaonana an-tampony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI. Mandray anjara avokoa ireo firenena dimy mandrafitra azy... ♦ Mitohy ny fanampiana ara-bola ataon'ny frantsay na eo aza ny olana samihafa ara-toe-karena sy ara-tsôsialy miseho eran-tany hoy ny ambasadaorony miasa sy monina eto Madagasikara... ♦ Nanambara ny Hery Politika Mitambatra fa tsy hetsika manamorona ny arabe no saika nataon'izy ireo omaly fa filanjàna sora-baventy tety Ivato. Tsy tanteraka nefa izany araka ny fanazavan'i Profesora Ralison Roger...
♦Notanterahana teny amin'ny Ekar Md François Xavier Antanimena ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François. Natsoin'Andriamanitra hankalaza ny Paka any aminy ny Papa hoy ny Nonce Apostolique Mgr Tomasz GRYZA... ♦ Hotanterahana anio etsy amin'ny CCI, ety Ivato ny fihaonana an-tapony faha-5 ho an'ireo filoham-panjakàna sy lehiben'ny governemanta eo anivon'ny COI... ♦ Mivahiny eto Madagasikara ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Isany voaresaka tamin'ny fihaonana teny Iavoloha ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy...
Ny vita batemy rehetra noho ny asan'ny Fanahy Masina ao aminy dia mandray ny finoana aloha ; ny vahoakan'Andriamanitra dia mandray anjara amin'ny adidy maha-mpaminany an'i Kristy, indrindra amin'ny fiainany feno finoana sy fitiavana, ary noho izy manolotra an'Andriamanitra sorom-piderana, vokatry ny molotra izay mankalaza ny anarany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
♦ Tontosa teny amin'ny Ekar Masindahy François Xavier Antanimena androany maraina ny Sorona Masina ho fisaorana an'Andriamanitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny Papa François... ♦ Isany voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy Filoha Malagasy Andry Rajoelina teny amin'ny Lapan'i Iavoloha androany, ny momba ny famerenana ireo Nosy Malagasy ; ankoatr'izay dia fifanaraham-piaraha-miasa enina no vita sonia... ♦ Mpitandro ny filaminana maherin'ny 2.000 no ahetsika amin'izao fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI izao ; nambaran'ny eo anivon'ny Emmo fa handraisana fepetra ireo mikasa hanakorontana...
Ny vady dia fameno, mifanampy amin'ny lafiny maro ; olona roa, lahy sy vavy, no mifanaky hanohy ny fiainana. Ny fanambadiana dia midika fahaleovan-tena, hanohizan'aina, olona mifanaiky an-tsitrapo, fitia mifamaly tsy an-tery. Ny fanambadiana dia fanapahan-kevitra eo anatrehan'ny fianakaviana, fiaraha-monina, fanjakàna, ary ny fiangonana, fanorenana fiainana vaovao sy ankohonana vaovao... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Amafisina amin'ny finoana noho ny Sakramentan'ny fankaherezana ny fifamatorana misy eo amin'ny Kristianina iray sy ny Eglizy, mameno azy amin'y hery manokana ny avy amin'ny Fanahy Masina. Ny Eokaristia dia sady loharano no tampon'ny fiainana maha-kristianina manontolo, andraisan'ny mpino anjara ka anolorany amin'Andriamanitra ilay "sorona" tsy manam-paharoa ary ny tenany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco