• Efa tonga eto Madagasikara ny FBI, hanao fanadihadiana momba ny raharaha Boeing 777, hoy ny Praiminisitra androany. Nambarany fa havoaka amin'ny fomba mangarahara ny zava-misy marina momba ity raharaha ity... • Ny fivorian'ireo mpiasam-panjakana ambony no nanokafana ny fihaonana an-tampon'ny SADEC, izay ampiantranointsika. Hisy akony amin'ny firoboroboan'ny fizahan-tany izao fivoriana izao, raha haintsika ny manararaotra, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Fianakaviana arivo no tsy manan-kialofana, vokatry ny fandrodanana trano any amin'ny Distrikan'i Toamasina Faharoa. Voalaza fa lasan'ny mpandraharaha vahiny ny tanin'izy ireo, ka hanaovana “Parc solaire”...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...