Fanantenana lehibe no nandrisika an'i Masina Maria hiatrika ny fampahoriana ny Zanany na dia nizotra tamin'ny lalan'ny fahafatesana aza i Jesoa Zanany. Ny finoana nananan'i Masina Maria sy ireo Apôstôly mpianatr'i Jesoa dia endriky ny finoana ananan'ny Kristiana ankehitriny ihany koa. Famonjena tsy manavaka no notontosain'i Jesoa, fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ; Reny am-panahy ny mpino rehetra i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...