♦ Efa manomboka no hita taratra ny toerana misy ireo voafonja roalahy tafatsoaka tao amin'ny fonjan'Ambalatavoahangy. Efa tratra kosa ilay voafonja iray antsoina hoe i Mainty, ary ho maro ireo olona handalo fanadihadiana noho ny fandosirany tao amin'ny fonjakely... ♦ Very olona alain-tahaka ny Malagasy, hoy ny Roso ho an'ny Demokrasia Sosialy, androany... ♦ Mbola tsy miravona ny disadisa eo amin'ny solombavam-bahoakan'ny Boriboritany fahadimy ao Antananarivo Renivohitra sy ilay Sefo Fokontany teo aloha tao Analamahitsy. Miandry ny fandraisana andraikitry ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena ny mpisolovava azy...

♦ Miisa roa amby telopolo ireo diakra nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe tamin'ny sabotsy 6 aogositra 2022, fankalazana ny niovan'ny Tompo tarehy... ♦ Tao amin'ny Diôsezin'Ambositra dia dimy ireo nohamasinina ho pretra ary fito ireo nohamasinina ho diakra... ♦ Telo mirahavavy ireo masera, avy ao amin'ny fikambanana Filles de Marie Auxiliatrice, nanonona ny voady mandrakizay tany Betafo, Diôsezin'Antsirabe, toerana izay iasan'izy ireo...

Sabotsy 20 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona —Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12

Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

Alarobia 17 aogositra 2022 — Herinandro faharopolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16

♦ Olona 7 no indray namoy ny ainy, ny maraina teo, vokatry ny lozam-pifamoivoizana, nahazo ny Sprinter nitondra mpiala sasatra avy any Fianarantsoa ho any Toamasina. 15 hafa kosa naratra... ♦ Diakra 32 no nohamasinina ho pretra tany amin'ny Diôsezin'Antsirabe afak'omaly, avy amin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 9 tamin'ireo. Omaly ihany koa Masera 3 avy amin'ny Fikambanana Fille de Marie Auxiliatrice no nanao voady farany tany Betafo... ♦ Tsy mitombina ny filazàna fa ambany ny vidin'ny vatosoa eto Madagasikara, miohatra ny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny FOM na ny Federasiona ivondronan'ireo mpandraharaha eo amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany...  

Talata 16 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.

Alatsinainy 15 aogositra 2022 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Alahady 14 aogositra 2022 — Alahady faharoapolo mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 49-53

♦ Hamaritra ny mety ho fandraisan'anjarany amin'ny fifidianana sy ny olona ho atolotra amin'izany, ny kongresy nasiônalin'ny Antoko MMM, izay hirosoana tsy ho ela. Nitatitra ny fivorian'ny antenimeran-doholona tamin'ireo mpifidy vaventy tamin'ny faran'ny herinandro ny loholona avy amin'ny MMM... ♦ Mangataka ny hanesorana ny mpitantana  ny APMF ny sendikan'ny mpiasa ao aminy, noho ny ambaran'izy ireo fa fisiana kolikoly amin'ny fitantanana... ♦ Isan'ny efa misitraka ny fanomezana tany, anatin'ny tetik'asa "Titre vert" ireo mponina lasibatry ny kere any Amboasary-Atsimo. Fianakaviana sahirana 160 isa aloha izao no efa nomena trano, tany hambolena, sy biby fiompy ; fa omena sakafo ihany koa aloha anatin'ny 3 volana... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...