♦ Miverina an-tsekoly manomboka anio ireo mpianatra hiatrika ny taom-pianarana 2025-2026... ♦ Vonona hanome tanana ny fitondram-panjakàna amin'ny fitsaboana any ivelany ho an'ny ampahany amin'ireo tanora lasibatry ny aretina teny amin'ny sampanana Imerinkasinina-Ambohimalaza ny vovonana firaisankina... ♦ Tranga iray nanamarika ny omaly alahady ny fifandrifin'ny masoandro, volana ary ny tany. Afaka nahita izany isika teto Madagasikara... ♦ Notanterahin'ny  Papa Léon-XIV, omaly, ny fanandratana ho amin'ny laharan'ny Olomasina an'i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati...

Andriamanitra manambara ny tenany : manafaka ny olombelona araka ny tantara fanandevozana ny olombelona, Izy Andriamanitra no mpanafaka. Miara-miasa amin'Andriamanitra ny olombelona, mitaky ezaka, Izy Andriamanitra manala antsika olombelon ao amin'ny haizina mikitroka mankany amin'ny fahazavana. Ny Eksaody dia fiampitana, misedra zavatra maro isika fa Andriamanitra ilay tena tia no manafaka antsika hatrany... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Miitatra adiny-4 farafahakeliny ny delestazy eto Antananarivo ankehitriny. Miantraika amin'ny mpiasan'ny orinasa izany hoy ny Randrana Sendikaly ka maro ireo alefan'ny mpampiasa anaty fiatoana ara-teknika... ♦ Feno roa volana sy 20 andro androany no tsy hita popoka ilay Sambo AW, niainga tao Mahajanga ho any Comores. Mbola mitohy ny fikarohana hoy ny tae jeneralin'ny APMF raha nanontanian'ny mpanao gazety omaly... ♦ Isa 9 sisa tadiavin'ny Barea dia mety handray anjara amin'ny Mondial 2026. Lalao manaraka mila hakàna fandresena ny fihaonana amin'ny Tchad ny alatsinainy hariva izao...

Alahady faha-23 mandavantaona — D : Izay tia mahafoy ; Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Na iza na iza tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mendrika ho mpianatro. Zara raha mahavinavina ny eto an-tany ny olombelona ; ary tsy maintsy misasatra vao mahita manoloana ny tenanay; tsisy hahatakatra izay any an-danitra, tsisy nahalala ny sitra-pon'Andriamanitra, raha tsy nomenao ny Fahendrena, sy nanirahanao ny Fanahy Masina avy any ambony...

♦ Hampiakaarina 70 hatramin'ny 80% ny vahoaka hisitraka ny angovo eto Madagasikara. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsaràna ny orinasa JIRAMA amin'ny lafiny teknika sy ny ady amin'ny fatiantoka ara-barotra, hoy ny Ministry ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Tokony tsirihina avokoa ireo sakafo vita avy any ivelany miditra eto Madagasikara hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH. Nambaran'ity fikambanana ity fa tsy tongatonga ho azy ireo fanapoizinana nitranga tato ho ato izay... ♦ Hiantso ny CAF hijery ny kianja Barea Mahamasina ny Fanjakàna afaka iray volana. Azo antoka ny hahazoana ny "homologartion" hoy ny Sekreteram-panjakàna miadidy ny tanàna vaovao...

Ny votoatin'ny fanambaran'Andriamanitra : Andriamanitra manambara ny tenany, namonjy antsika olombelona mandrakariva, Andriamanitra mpahary. Tandindon'i Jesoa Kristy lahitokan'Andriamanitra i Isaaka, ilay nanao ny tena ho sorona, nitondra ny kitay hanaovana sorona azy toa an'i Kristy nitondra ny hazo fijaliana. Isaaka no niteraka an'i Jakôba izay nitombo sy nisandrahaka tamin'ny foko 12... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Ireo 12 lahy zanak'i Jakôba no razamben'ny finoana, I Joseph no niavian'ny zanak'i Israely, ilay zazalahy namidin'ny zokiny. Ny tany nampanantenaina an'i Abrahama (Palestina ankehitriny) dia ilay tany nampanantenaina ny vahoaka sesitany tao Ejipta. Taranak'i Jakôbe ny zanak'israely, dia atao hoe vahoaka Hebrio izany hoe ireo vahoaka izay mandeha mamakivaky tany efitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny hampiakatra hatramin'ny 80 % ny vahoaka hisitraka ny angovo amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Angovo sy Akoran'afo... • Natomboka androany tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa fampanarahana ny fenitra ireo seranan-tsambo sy ny fadintseranana eto Madagasikara... • Hahazo fankatoavana avy amin'ny CAF afaka iray volana ny Kianja Barea Mahamasina, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

• Nanaitra ny maro tao Toamasina androany vao maraimbe, ny firehetrana nitranga tao amin'ny Anjavidy Androranga... • Mety manaitra kanefa tsy zava-baovao ny fisian'ny ambana amin'ny fifidianana. Efa mijery akaiky ny fisorohana izany ny CENI... • Tsy nanafina ny fahafahampony tamin'ny dingana nataon'ireo mpilalao, ny mpanazatra ny Barean'i Madagasikara, Corentin Martins, tao aorian'ny fandresena 2 no ho tsy misy nanoloana an'i Centrafrique omaly...

Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...

• Mitana ny laharana faharoa ao amin'ny Vondrona I misy azy ny Barea an'i Madagasikara izay manana isa 13, tao aorian'ny andro faha-7 amin'ny fifanitsanana andehanana any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026, eo amin'ny taranja baolina kitra... • Ahiana ho very zo ireo mpifidy any amin'ireo Kaominina sasantsasany eto Madagasikara raha toa ka eken'ny Governemanta ny datin'ny 11 desambra 2025, hanatanterahana ny fifidianana Loholona... • Nametraka lamina vaovao ny Polisim-pirenen avy ao amin'ny Kaomisaria Foibe Antananarivo, mba entina mandrindra ny fifamoivoizana eny amin'ny lalam-baovao mampitohy ny rond-point Made Inox Ankasina sy ny Kianja Maki Andohatapenaka...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...