André dia avy any Betsaida, ary rahalahin'i Simona-Piera, mpanarato tahaka azy koa. Mpianatr'i Joany Baptiste izy io ary izy no iray amin'ireo roa mpianatra voalohany nanaraka an'i Jesoa. Jakôba : ilay lehibe na zokiny sy Joany zanak'i Zebede, mpanarato tao amin'ny reniranon'i Tiberiady ihany koa, nanaraka an'i Jesoa tsy nisalasala, nomen'i Jesoa fanampin'anarana hoe "zana-baratra"... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Nivadika ho adin'andrim-panjakana ilay raharaha fanadihadiana ny Filoha Lefitry ny CENI, momba ny fivoahan'ny tolo-dalana mifehy ny fifidianana. Miantso fifampiresahana ny KMF/Cnoe, manoloana ity raharaha ity... • Miantso ireo parlementera ny Randrana Sendikaly, hanery ny fitondrana mpanatanteraka, hitady vahaolana amin'ny delestazy... • Maro loatra ireo fitarainana momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ho an'ireo niofana tamin'ny CRINPF. Nanaotra ny hijerena izany ny Vaomiera miady amin'ny kolikoly eny anivon'ny Antenimieram-pirenena...

♦ Nanambara ny filohan'ny Antenimieran-doholona, ny jeneraly Ravalomanana Richard fa tsy nitory ny filoha lefitra voalohan'ny CENI Andoniaina Andriamalazaray. ; azo amarinina izany hoy izy... ♦ Nitondra valin-kafatra momba ny fitakian'ny olom-boafidy sasany hanalàna amin'ny maha ministra mpiahy ao amin'ny Faritra Boeny azy ny Ministry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena Maroson Moustapha Abdulah. Nanotrona azy koa ny solombavambahoaka Rahantaniriana Lalao... ♦ Hotohizana ny famatsiana solika tahiry ho an'ny orinasa JIRAMA, araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ho fiantohana ny famatsiana herinaratra an'Antananarivo...

♦ Nomelohan'ny CENI ny fitoriana nataon'ny filohan'ny Antenimieran-doholona ho an'ny filoha lefitry ny CENI Ando Andriamalazaray. Namoaka fanambarana momba izany ny Birao Maharitra notarihin'ny filohany... ♦ Nifarana ny fitsidihana ara-panjakàna nataon'ny filohan'i Slovenie teto Madagasikara. Niara-nitokana Sekoly vaovao teny Bemasoandro toby Ankamasoa, ny tenany sy ny filoha Malagasy omaly... ♦ Naneho fiombonana sy firaisan-kina amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena izao tamin'ny alalan'ny diaben'ny fahaleovan-tena ireo departemanta isan-tokony eo anivon'ny Fanjakàna Malagasy...

I Jesoa Kristy no nanorin ny Eglizy tamin'i Piera sy ny Apôstôly, Kristy no lohany ary i Piera no filohany hita maso miaraka amin'ireo Apôstôly 12 lahy, izay vato fototra. Nanana fahefana tsy azo nolavina ny Apôstôly teo amin'ny Eglizy satria nomen'i Jesoa azy ireo izany, ary nampiariny tamin'ny alalan'ny fiaraha-mitantana ; ireo eveka amin'izao fotoana izao no dimbin'ireo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Miantso ireo tompon'andraikim-panjakàna rehetra voakasika amin'ny fahatapahan-jiro lava reny manerana ny nosy hametra-pialàna rehefa tsy mahita vahaolana ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Mitohy mandraka ankehitriny ilay resaka fanangonan-tsonia fangatahana ny hanesorana ny Ministra Caoch ao amin'ny Faritra Boeny, izay tsy iza fa ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ataon'ireo olom-boafidy any an-toerana... ♦ Hitohy anio alarobia ny fitsidihana ara-panjakàna ataon'ny filoha an'i Slovenie eto Madagasikara ka isan'ny fandaharam-potoanany ny fitsidihana eny Bemasoandro Toby Ankamasoa tantanan'i Père Pedro...

I Jesoa Kristy no Mpiandry ondry mandrakizay ary izy no lohan'ny Eglizy. Nifidy ny  Apôstôly Izy ho mpiandry ondry hiara-hiasa aminy ary nirahiny ho an'ny amin'ny vazan-tany eran'izao tontolo izao. Ny Papa sy ny Eveka ihany no antsoina hoe Mpiandry ondry fa ny sisa rehetra dia mpiara-miasa amin'izy ireo avokoa. Rafitra an-tanan-tohotra "hierarchique" ny ao amin'ny Eglizy Katôlika fa tsy demôkratika... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Nihaona teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filohan'i Slovenie Natasa Pirc Musar. Nisongadina nandritra izany fa mifototra amin'ny lafin-javatra telo lehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta... • Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-bahoaka ireo fepetra raisin'ny mpitondra ankehitriny hoy ny MMM. Takian'ity antoko ity ny hisian'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana mba hifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Mandray anjara amin'ny fanamarihana ny andron'ny 5 jona, andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE...

♦ Noraisin'ny filoha Malagasy teny Iavoloha ny filoha Slôveniana Natasa Pirc Musar ny antoandro teo. Andrasana ny mety ho fehin-kevitry ny roa tonta, amin'izao fihaonana izao... ♦ Mbola tsy ampy 160.000 taonina isan-taona, tsy fahampiana ny famokarana trondro eto Madagasikara. Mamporisika ny rehetra hiditra amin'ity sehatra ity ny Ministeran'ny jono... ♦ I Sainte Marie no mandray ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana. Fanamby napetraka ny haha-môdely amin'ny nosy tsy misy fako plastika ny any an-toerana... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny any Korea-Atsimo, miisa 3 ireo kandidà hifaninana amin'izany...

♦ Nigadona eto Madagasikara tamin'ny alina teo ny filoham-pirenena Slovenie, Ramatoa Natasa Pirc Musar. Hanao fitsidihana ara-panjakàna eto Madagasikara izy, manomboka anio... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hitondra fanazavana momba ilay fifanarahana miaraka, hamokarana herinaratra nolazain'ny filoha tany Dubai ny Antoko TIM... ♦ Andro tsy fiasàna nefa handraisana karama ny amin'ny zomba 6 jona izao, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Ministeran'ny Asa... ♦ Voafidy ho filoham-pirenena vaovao any Pologne Andriamatoa Karol Nawrocki, kandidàn'ny Antoko nationaliste...

Anisan'ny tena mampiavaka ny Eglizy Katôlika izay manana ny toetrany manokana (iray, masina, katôlika, apôstôlika) ny fananany rafitra maty paika sady matotra ka ijoroany hatrany am-piandohana hatramin'ny namoronan'i Kristy azy tamin'ny Apôstôly dia i Piera no filohany sy ireo dimbiny mandrak'ankehitriny. Ny Eglizy dia fiombonan'ny vahoakan'Andriamanitra, handraisana famonjena... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Niditra an-tsehatra, ary niantso fitoniana manoloana ny fanoherana ny fanendrena Sefo Fokontany nitranga tao amin'ny Distrikan'i Vohipeno, ny Préfet an'i Manakara... • Miatrika ny fanadinana BEPC Katolika nanomboka androany, ny mpianatry ny Sekoly Katolika ambaratonga faharoa, avy amin'ny Diosezy 22 manerana ny nosy... • Nahitana fihenana hatrany amin'ny 20 % ny vokatra lojy mainty maso, ho an'ny Faritra Boeny...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...