♦ Anisan'ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Filankeitry ny Ministra tamin'ny sabotsy teo ny fametrahana ivon-toerana vaovao eny amin'ny Tanana Voara Andohatapenaka... ♦ Niampy roa indray ireo olona namoy ny ainy vokatra ny valan'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Nanohana an'i Madagasikara avokoa ireo firenena rehetra nivory teo anivon'ny SADEC, ny amin'ny fitakiany ireo Nosy malagasy...

28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

27 jona — Niaina tamin’ny taona 376 hatramin’ny 27 jona 444 i Cyrille. Notendrena ho patriarka handimby an’i Theophile izy ny 17 oktobra 412. Nafana fo tamin’ny ady manohitra ireo fampianaran-diso momba ny finoana izy, nakatony ny fiangonan’ireo novatiens, ary nenjehany ireo Jiosy tao an-tanana.

26 jona — Nataon’ny Fiangonana hatsiarovana an’i Masindahy Jean sy Paul, martiry niaina tamin’ny taonjato fahefatra, ny andro androany. Mpirahalahy i Jean sy i Paul, zanak’olona ambony saranga teo amin’ny fiaraha-monina izy mirahalahy ireto. Nitoetra tao Roma izy ireo ary niasa tao amin’i Constance zanakavavin’ny amperora Constantin.

25 jona — Teraka tao Aquitaine i Prosper tamin’ny taona 390, mpianatr’i Masindahy Augustin d’Hippone izy. Tsy pretra izy, tsy martiry ary tsy nanao fahagagana fa ny tena nahafantarana azy dia ny ady ara-pinoana nataony niady tamin’ireo pélagiens.

Sabotsy 04 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-17 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

♦ Nahitana taratra ny fikatsahana sy ny fanajana ny kolontsaina sy ny soatoavina maha malagasy ny ady atao amin'ny valan'aretina Coronavirus... ♦ Nisy olana ny famindram-pitantanana teo amin'ny lehiben'ny CISCO teo aloha tany Mananjary sy ny vaovao... ♦ Niravina ny disadisa teo amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanana FTAR momba ny famadihana ny fahazoan-dalana ho an'ny Taxi ho nomerika...

♦ Niampy 63 ireo olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Hahemotra amin'ny fotoana mahamety azy ny fankalazana ny JMJ Diôsezin'Antananarivo saika hatao ny 03 hatramin'ny 06 septambra izao... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoakan'ny IRD sy ny tsy miankika miisa 96 ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitsiana...

♦ Vehivavy iray 46 taona indray no namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Lany tetsy amin'ny CCI Ivato nandritra ny fivoriana itambaram-be nataon'ireo Solombavambahoaka ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana... ♦ Hiteraka fampandrosoana isam-paritra ny fahalanian'ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana...

Aizahoaiza ny fahaizana mapita ny Soatoavina maha Malagasy. (24-10-2019)

Miavaka ity fankalazana ny tsingerin-taona niverenan'ny fahaleovan-tena taona 2020 ity, satria tanterahana anaty fihibohana. Vanim-potoana hieritreretana ny fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana. Mora ny mitadidy sy mitantara ireo voarakitra tamin'ireo dingana maro nolalovan'ireo mpiray tanindrazana teo aloha, nahazoana manatanteraka izao fankalazana ny fitsingerenan'ny fiverenan'ny fahaleovan-tenam-pirenena izao. Raha mahatsiaro fa tena olom-pirenena marina ianao : fohazy ny afom-pitivan-tanindrazana.

Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...