13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.

12 septambra — Ny fankalazana ny fetin’ny anara-masin’i Maria Virjiny dia avy any amin’ny tanana iray tao Espagne, Nouvelle Castille. Tany amin’ny taona 1513 tany no nipoiran’izy io voalohany. Nofoanan’ny papa Pie V izy io tamin’ny taona 1570 ary naverin’ny papa Sixte V ka nataony ny 17 septambra ny fankalazana.

11 septambra — Zafikelin’i Romaric i Adelphe, niaina tamin’ny taonjato fahafito izy. Voatendry ho lehiben’ny trano tao Saint-Mont rehefa maty Habendi Castrum tamin’ny 03 desambra 653. Nandritra ny fito ambin’ny folo taona no nanaovany izany andraikitra izany. Naniry mafy ny hitokana any Luxeuil i Adelphe.

10 septambra — Teraka tao Avrenche i Aubert zanak’olona fanta-daza tao izy io. Rehefa nozarainy tamin’ny mahantra sy ny relijiozy ny lovany dia nandray ny sakramentan’ny filaharana izy ary voafidy ho eveka faha-12 fantatra anarana tao Avranches.

09 septambra — Teraka ny 26 jiona 1580 tao Verdú akaikin’i Alarida Espagne i Pierre Claver ary nodimandry ny 08 septambra 1654 tao Carthagène des Indes, Colombie. Marani-tsaina i Pierre Claver, nanao ny fianarany tao amin’ny zezoita izy talohan’ny faharoapolo taonany izay fotoana nidirany ny noviciat an’io fiakambanana io ihany tao Tarragone ny taona 1602.

08 septambra — Heverina fa ny Fiangonana tao Jerosalema no nanaja sy nahatsiaro voalohany ny nahaterahan’i Masina Maria Virjiny izay nankalazaina tao amin’ny bazilika ao amin’io toerana nahatrerahan’i Masina Maria Virjiny. Ny toritenin’i André de Crête dia milazalaza ny momba ny nahaterahan’i Maria Virjiny.

07 septambra — Teraka tao Autun tao France i Reine. Teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany izy no no nibebaka ho kristianina izany hoe tamin’ny taona 252. Niandry ondry teo amin’ny tendrombohitr’i Auxois izy no saika ho viravirain’ny governora romanina tao Gaule, Olibrius na Olimbrius, nefa nanohitra i Reine ary nandà ny fanambadiana mba tsy hanimbazimban’io ny finoany.

06 septambra — Teraka tao Garrigues akaik’i Uzès i Bertrand, iray amin’ireo mpiara-dia tamin’i Masindahy Dominique izy. Nanintona azy ny fahamasinana sy ny fanirian’i Masindahy Dominique ny hampibebaka an’i Cathares amin’ny alalan’ny vavaka sy ny oha-piainana amin’ny fahantrana.

05 septambra — Zanaky ny mpisoron’ny Tamieh tao Fayoum, tany amin’ny sisin-tanin’i Lybie i Raïssa. Roapolo taona izy tamin’ny fotoana nanjakan’i Dioclétien. Resy lahatra io amperora sy ny mpiara-miasa aminy fa hamotika ny fivavahana kristianina.

04 septambra — Teraka tamin’ny taona 1140 i Rosalie, tompomenakely tamin’ny fotoana nanjakan’i Guillaume I ny rainy, taranak’i Charlemegne izy io. Ho fankasitrahan’ny mpanjakavavy Marguerite, vadin’i Guillaume dia nanolotra tany tao an-tendrombohitr’i Pellegrino akaik’i Palerme izy.

03 septambra — Tokony ho tamin’ny taona 540 no teraka tao Roma i Grégoire, andriana ny fianakaviany, zafiafin’ny papa Felix III izy. I Gordien sy Sylvie no ray aman-dreniny ary mpitoka-monina ny anabavin-drainy, toa an-dry Tharsule sy ry Emilienne izany.

02 septambra — I Masimbavy Ingrid dia zafikelin’ny mpanjaka tao Suède, zanak’i Knut mantsy ny reniny. I Knut io ilay mpanjaka tao Suède. Rehefa maty ny vadin’i Ingrid dia nandeha nanao fivahinianana tany amin’ny Tany Masina izy.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...