Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.

Ny Konsily tao Konstantinopla II (553) dia nanamafy ny fanamelohana ireo hevi-diso teo aloha (mikasika ny Trinité Masina, ny Kristolozia), sady nampahatsiahy ireo famaritana nataon’ny Konsily tany aloha. Nohelohina ireo hevi-diso avy amin’i Origène, miaraka amin’ireo hevitra telo izay fantatry ny Nestorianisma. Tsy tratra ny tena tanjona hampihavana ny samy Mpino Kristianina satria nisy ireo tsy fitovian-kevitra (Roma, Afrika, Antiokia). Nohelohina ireo eveka teolojianina telolahy miankina amin’ny sekolin’i Antiokia: Théodore de Mopsueste (†428), Théodoret de Cyr († vers 466) et Ibas d’Édesse († 457).

Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.

Ny amin’ireo Konsily Ekomenika sy tena nanan-danja teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana. Taorian’ny Fihaonamben’ny Mpino Kristianina voalohany, niaraka tamin’ny Apostoly, izay natao tao Jerosalema ny taona 50 (na 49) izay notarihin’i Piera, dia miisa 21 ireo Konsily Ekomenika izay samy nanamafy ny finoan’ny Mpino araka ny fampianaran’ny Apostoly, niatrika ireo fanavaozana lehibe, teo amin’ny Tantaran’ny Fiangonana Katolika. Niaro ny zon’ny olona, nitandro ny fandriampahalemana. Ireto avy izany sy ny Papa nitarika azy: 1) Nicée I (325) Silvestra I. 2) Konstantinopla I (381) Damase. 3) Efezy (431) Célestin I. 4) Kalsedoanina (451) Léon le Grand. 5) Konstantinopla II (553) Vigile. 6) Konstantinopla III (680-681) Agatone. 7)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...