Ny zava-misy iainantsika ankehitriny dia mbola ao anatin’ny tontolon’ny Konsily Vatikana II, ka mila mivelatra sy misokatra amin’ny hafa isika, ary mila mihevitra sy mandinika lalina ny tena fiainantsika. Amin’ny maha Konsily pastoraly azy, dia asainy miverina mitodika sy mandray ireo Lovantsofina isakarazany isika, fa tsy tokony hionona amin’ireo zavatra voasoratra fotsiny ihany. Any ka nitondra fiovàna be teo amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fomba fandinihana ny tantara ny ezaka nataon’ireo mpikaroka eran’izao tontolo izao, taorian’ity Konsily Vatikana II ity.

Ao ireo mpikaroka momba ny zavatra tranainy sy ny vakoka (arkeôlôzia) ary ny Tantara izay niezaka nanamarina ireo lovantsofina sasany, ka nahitany porofo mazava izy ireny, fa tsy mba angano na arirarira fotsiny ihany. Ao koa ireo kristianina miezaka mandalina ny fomba amam-panao isakarazany, ka zary nanamora ny fampitàna ny Vaovao Mahafaly na ny Filazantsara izany.

Koa rariny sy hitsiny àry raha hampahatsiahy izahay fa zava-dehibe ny fiverenana mandinika sy mandalina ireo fomba amam-panao isakarazany izay hita ho mahasoa, ka mampiavaka ny isam-poko sy isam-pirenena, fa hanampy ny rehetra hahay miara-miaina sy mifanaja ary hifanohana sy hifanampy izany. Aoka tsy ho lany andro hifampitsikera, na handany vola amin’ny ady izay fototry ny faharavàna sy fahapotehana ary fahantrana amin’ny endriny maro.

Manana adidy lehibe ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, na ireo mihambo ho mpifehy ny fireneny sy ho mpitondra an’izao tontolo izao, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na eo amin’ny sehatra ara-piarahamonina, mba handala ny rariny sy ny hitsiny, hanafoana ny tsindry hazolena sy ny kolikoly ary ny risoriso, hanafoana ny ady, hanafoana ny fahantrana mangitsokitsoka (misère), ka tsy hitady ny tombotsoany samirery fa kosa hilozoka hitady ny soa iombonana sy hampaharitra izany eo amin’ny rafitra ajoro sy ifampifehezan’ny mpiara-belona. Izany indrindra no tsy maintsy ananganana ny Fokonolona miahy tena sy ny rafitra matanjaka any ifotony amin’izao Taona Arivo fahatelo izao.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...