Ny zo, ny adidy ary ny andraikitra dia isany mampisy hasina sy haja ny olona tsirairay. Ny hasina sy ny haja dia nanana ny lanjany teo amin'ny Ntaolo Malagasy sy ny finoana Kristiana satria ny "hasina" no fototry ny "fahamasinana" ary ny "haja" no mametraka antsika amin'ny hoe "fahamboniana" ; Andriamanitra irery ihany anefa no manana io fahamboniana io avo indrindra. 

Manana adidy amin'ny fireneny sy ny tanindrazany ny olona tsirairy. Hasin'ny Firenena sy ny hasin'ny vahoaka ao amin'ny dia mifamatotra tanteraka ary mifamatotra tanteraka ihany koa amin'ny didy fahaefatra amin'ny didin'Andriamanitra dia ny hoe "manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Tsy ampy ny fanajana ny ray aman-dreny fotsiny fa manana adidy ihany koa isika mba hanaja ny manodidina antsika, ny mpiara-monina ary ny mpiray tanindrazana sy firenena.

Misy manda lehibe roa miaro antsika kristiana dia ny tenin'Andrimanitra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao ; ary eo ihany koa ny Sakramenta fito. Misongadina amin'ireo Sakramenta fito :  ny Eokaristia sy ny Sakramentan'ny filaharana. Tsy misy ny atao hoe "krizy" eo amin'ny fiainan'ny Eglizy fa ny olona tsirairay no tsy mahatsapa ny hasin'ny tenany, aina, fo amam-panahy, tanindrazana, ary ny hasin'ny tontolo iainana. 

Ny alakamisy 8 jona no hatsiarovana ny maha maritiry ny Olomasina Jeacques Berthieu, izay vavolombelon'ny finoana. Voatendry ho Arsevekan'Antananarivo i Mgr Jean de Dieu Raoelison, izay handimby an'i Mgr Odon Razanakolona. Ny fetin'ny Sakramenta Masina dia ny 8 jona ihany koa. Ny laïka no tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana ny firenena, koa ilaina ny firotsahan'ny tsirairay indrindra isika kristiana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...