Marihina etoana fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 dia nihamafy ny fifandonan-kevitra teo amin’ny Eglizy Tandrefana sy Tatsinana, ka ny tena zava-nanahirana dia ny tanjak’ireo mpanao politika, izay samy nanindrahindra ny heriny sy ny tanjany. Koa dia voatery niala sy nisintaka miandalana teo ambany vahohon’ireo Mpanjaka sy Amperora ny Eglizy, ary niezaka nizaka tena, sady nandray fepetra maro ho fanamelohana izay rehetra mivoy fampianaran-diso, na iza izy na iza.

Ny Konsily tao Konstantinopla IV (869-870) no nanamelohana an’i Fazio noho ny sisma nataony, nohamafisina tamin’izany ny fampiasàna ireo sary amin’ny fanompoam-pivavahana. Nasiana tsindrim-peo bebe kokoa ny maha Ray iombonana ny Evekan’i Roma, dia ny Papa ray masina izany. Ny Konsily Lateranezy I (1123) tao Roma kosa no nitaky ny zon’ny Fiangonana ny amin’ny fifidianana sy fanendrena ary fanamasinana ireo ho Eveka, mifanandrina amin’ny fampiketrahana ireo mpanjaka (lahika). Nohelohina ho zary herezia koa ny simonia sy ny tokatranomaso ataon’ireo mpandraharaha masina sasany.

Ny Konsily tao Konstantinopla II (553) dia nanamafy ny fanamelohana ireo hevi-diso teo aloha (mikasika ny Trinité Masina, ny Kristolozia), sady nampahatsiahy ireo famaritana nataon’ny Konsily tany aloha. Nohelohina ireo hevi-diso avy amin’i Origène, miaraka amin’ireo hevitra telo izay fantatry ny Nestorianisma. Tsy tratra ny tena tanjona hampihavana ny samy Mpino Kristianina satria nisy ireo tsy fitovian-kevitra (Roma, Afrika, Antiokia). Nohelohina ireo eveka teolojianina telolahy miankina amin’ny sekolin’i Antiokia: Théodore de Mopsueste (†428), Théodoret de Cyr († vers 466) et Ibas d’Édesse († 457).

Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.

[Miara-dàlana] Zoma 23 febroary 2024

♦ Notontosaina tao amin'ny Nosy Maurice ny 11 ka hatramin'ny 17 febroary 2024 ny fiofanana sy fampiofanana momba ny fiarovana ny zaza sy ny marefo amin'ny herisetra… ♦ Manatanteraka ny “Fitsidihana miaraka” ho an'ny Faritra Afrika-Madagasikara, any Kigali Rwanda ny Filankevitra Jeneralin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco ny 20 ka 23 febroary 2024… ♦ Manentana ny kristianina hanamafy ny vavaka mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'ny faritra atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Congo ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana…

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...