Ny alahady 16 avrily 2023 no nanamarihana ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra. Ny bazilika lehibe ao Roma :  st Jean de Latran, St Pierre vatican, Ste Marie Mageur, St Paul hors le mur ; ireo bazilika ireo dia samy manana ny atao hoe varavarana masina, izay sokafana amin'ny fomba manokana rehefa misy ny taon-jaobily ireny. Manana ny anjara toerana lehibe amin'ny fanomezana ny "indulgence" manontolo ireo bazilika ireo, antsoina hoe alitaran'ny Papa, izay izy irery no afaka manao lamesa ao.

Ny Papa Boniface VIII, tamin'ny taona 1300 no nanome anarana voalohany ny bazilika lehibe. Nanavao tsy tapaka ny momba fanomezana ny "indulgence" ny Eglizy ka eo ny famontsoran-keloka lehibe, eo ny famelan-keloka azo avy amin'ny alalan'ny fitsidihana ny tanànan'i Rôma (Bazilika fiandrianan'ny Apôstôly)...

Ny sanctuaire dia toerana masina, izay fanaovana fivahinianana masina. Misy ny sanctuaire diôseziana, nasiônaly, ary misy ihany koa ny iraisam-pirenena. Ny azo atao any amin'io toerana io dia : laretirety ara-panahy, fiofanana, fivahinianana, fanaovana dia mivavaka.

 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...