Manomboka ny alakamisy ny hateloana andro masina. Ny Alakamisy Masina no fanombohana izay hanamarihana ireto lafin-javatra ireto : ny namoronana ny Sakramentan'ny Eokaristia, eo koa ny fahatsiarovana ny fanasana ny tongotry ny Apôstôly, amin'io andro io koa ny fanaovana ny fanamasinana ny menaka masina, ary indrindra ny fanavaozana ny fanomezan-toky ataon'ny Pretra ho amin'ny Eveka. Ny fiekem-pinoana dia nisy konsily niresaka azy manokana indrindra ireo andian-teny mandrafitra azy : nijaly faha Pontsy Pilato, nofatsihina tamin'ny hazo fijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambanin'ny tany, nitsanga-ko velona tamin'ny andro fahatelo.

Ny zava-misy iainantsika ankehitriny dia mbola ao anatin’ny tontolon’ny Konsily Vatikana II, ka mila mivelatra sy misokatra amin’ny hafa isika, ary mila mihevitra sy mandinika lalina ny tena fiainantsika. Amin’ny maha Konsily pastoraly azy, dia asainy miverina mitodika sy mandray ireo Lovantsofina isakarazany isika, fa tsy tokony hionona amin’ireo zavatra voasoratra fotsiny ihany. Any ka nitondra fiovàna be teo amin’ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fomba fandinihana ny tantara ny ezaka nataon’ireo mpikaroka eran’izao tontolo izao, taorian’ity Konsily Vatikana II ity.

Manana ny lanjany sy ny anjara toerany manokana ny vehivavy raha ny Soratra Masina no jerena sy dinihina akaiky. Ny Pentateoka na ireo Boky Dimin’i Moizy no hiaingana, ka azo lazaina ho mifandanja sy tsy misaraka, saika matetika, ny fampiasàna ny teny hoe «vehivavy = V» sy «lehilahy = L» (Jenezy in-42 V / in-79 L, Eksaody in-20 V / in-24 L, Levitika in-28 V / in-29 L, Fanisana in-27 V / in-84 L, Deteronomy in-20 V / in-31 L). Raha ny Baiboly iray manontolo kosa no jerena dia miverina in-715 ny teny «vehivavy/ravehivavy/m-behivavy» ary in-1050 kosa ny hoe «lehilahy, ralehilahy/n-dralehilahy). Raha ny Testamenta Taloha (TT) sy ny Testamenta Vaovavo (TV) no ampitahaina dia: in-172 V TT / in-251 V TV ary in-543 L TT / in-799 L TV. 

Ny Konsily Vatikanina II (Roma): Noho ny Konsily Vatikanina I tsy nety ho vita, vokatry ny ady, dia maro ny olana nila famahana, indrindra taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Koa nampiantsoin’ny Papa Joany XXIII ny Konsily Vatikanina II, ny 25 janoary 1959. Notarihiny (nosokafany ny 11 oktobra 1962) sy ny Papa Paoly VI (nofaranany ny 08 desambra 1965).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...