Ny Konsily anisan’ny goavana indrindra dia ny tao Trente (Trento) satria dia ny 22 mai 1542 no nampiantsoin’ny Papa Paul III izy io, ary notohizan’ireo Papa roa nandimby azy dia i Jules III sy i Pio IV (1545-1563), ka taorian’izany no nahazoantsika ny Mesaly Romanina navoakan’i Papa Pio V, izay mbola misy mampiasa mandraka ankehitriny. Ny Bulle Quo primum tempore navoakany ny 14 Jolay 1570 no namoahany azy ho an’ny Eglizy rehetra manaraka ny fomba Latinina. Maro ireo hevitra sy fampianarana mazava navoakan’ny Konsily tao Trente dia ny : Fiarovana ny Soratra Masina (atao hoe Volgata).

Nanomboka tamin’ny Konsily tao Vienne, France (1311-1312), faha-Papa Clémént V, dia nofoanana ny «Ordre» atao hoe «des Templiers» izay karazana moines sady miaramila mpiady, miaro ny Tany Masina sy nanohitra ireo fahavalon’ny finoana (izany efa nahazo fankatoavan’ny Papa ny 29 Mars 1139). Io Konsily io koa no nanameloka ny fahadisoan’ireo Beguards momba ny fampianarany mikasika ny fahalavorariana ara-panahy. Nambara mazava àry fa ny fanahin’ny olona dia isan’ny mandrafitra tokoa ny tenany sy miray tanteraka aminy (natao izany mba ho fanoherana an’i Pierre de Jean Olivi). 

Zava-dehibe ny fiatrehan’ny Fiangonana ny Konsily tao Roma, Lateranezy III (1179) izay niandian-kevitra momban’ny fakan’ny mpandraharaha masina sasany tambim-bola rehefa mizara Sakaramanta, ka navoaka ny lalàna ho entina manohitra ny «simonia» . Fanamelohana ireo Katary sy fandraràna ny hifampiraharaha amin’izy ireo. Ny Konsily tao Roma, Lateranezy IV (1215) no namaritra mazava tsara mikasika ny amin’ny Trinité Masina, ny fahariana, i Kristy Mpanavotra, ary ireo Sakramenta. Natao koa ny fanamelohana ny herezian’ireo Alibigezy sy Validezy, ary koa ny amin’ireo fampianaran-diso, izay nataon’i Joachim de Flore, momba ny Trinité Masina. Ny Konsily tao Lyon I (1245) kosa dia nanameloka an’i Frederika II. 

Marihina etoana fa nanomboka tamin’ny taonjato faha-12 dia nihamafy ny fifandonan-kevitra teo amin’ny Eglizy Tandrefana sy Tatsinana, ka ny tena zava-nanahirana dia ny tanjak’ireo mpanao politika, izay samy nanindrahindra ny heriny sy ny tanjany. Koa dia voatery niala sy nisintaka miandalana teo ambany vahohon’ireo Mpanjaka sy Amperora ny Eglizy, ary niezaka nizaka tena, sady nandray fepetra maro ho fanamelohana izay rehetra mivoy fampianaran-diso, na iza izy na iza.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...