Manomboka ny alakamisy ny hateloana andro masina. Ny Alakamisy Masina no fanombohana izay hanamarihana ireto lafin-javatra ireto : ny namoronana ny Sakramentan'ny Eokaristia, eo koa ny fahatsiarovana ny fanasana ny tongotry ny Apôstôly, amin'io andro io koa ny fanaovana ny fanamasinana ny menaka masina, ary indrindra ny fanavaozana ny fanomezan-toky ataon'ny Pretra ho amin'ny Eveka. Ny fiekem-pinoana dia nisy konsily niresaka azy manokana indrindra ireo andian-teny mandrafitra azy : nijaly faha Pontsy Pilato, nofatsihina tamin'ny hazo fijaliana, maty dia nalevina, nidina tany ambanin'ny tany, nitsanga-ko velona tamin'ny andro fahatelo.

I Pontsy Pilato dia Governora napetraky ny Amperora Rômana tany Jodia. Lehibe ny fijaliana niainan'i Jesoa na tamin'ny ara-panahy na ny ara-batana. Ny antony nahafatesan'i Jesoa Kristy dia mba hanavotra antsika tsy ho tonga any amin'ny afobe, hampahazo antsika ny fiainana mandrakizay. Maty ho an'ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy.

Ny Zoma Masina no andro nahafatesan'i Jesoa Kristy, nalevina izany hoe nampidirina tao am-pasana. Ny hevitry ny hoe "nidina tany ambanin'ny tany" dia ny fanahin'i Jesoa kristy dia nidina tamin'ny toerana iray hatao hoe "Seoly na Limby" izan'ny hoe "limbin'ny patriarka" toerana itoeran'ny fanahin'ny olomasina sy ny olomarina toa an'i Abrahama, Môizy...

Ny Sabotsy Masina dia efa santatry ny Paka, fandreseny ny fahafatesana...

 

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...