♦ Nodimandry omaly i Ndriana Ramamonjy sy Monique tao amin'ny tarika Voanio... ♦ Hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina dia haharitra 15 andro ny fialantsasatry ny mpianatra mandritra ny Paka izay hanomboka rahampitso zoma, torak'izany ihany koa ny eny amin'ny Oniversitea... ♦ Tokony hiasa amin'ny maha mpitsara azy sy ny maha mpanelanelana azy ireo mpikambana vaovao handrafitra ny HCC... 

Ny fahatokisatena dia miankina bebe kokoa amin' ny lafin'ny fanabeazana. (31-03-2021)

♦ Nahalavo marary miisa 15 teto Madagasikara ny Covid-19 tamin'ny talata lasa teo. Isa ambony indrindra tao anatin'ny iray andro tao anatin'ny herintaona niadiana tamin'ity valan'aretina ity... ♦ Nanolotra fitaovana manampy ny mararin'ny Covid-19 ahazo "Oxygène" ilain'ny vatana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nohavaozina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina eto Madagasikara... 

Alakamisy 1 aprily 2021 — Alakamisy masina — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...