Alahady 10 janoary 2021 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: "Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy." — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11

♦ Niaiky ny ministry ny fanabeazam-pirenena fa mbola misy ny olana amin'ny fanabeazana eto amintsika ary tsy lavorary ny paik'ady nampiharina amin'ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna... ♦ Nanatitra fitarainana teny amin'ny Bianco sy ny Pac mahakasika ilay raharaha volamlena 73,5kg androany ny antoko politika Madio... 

Tranga matetika miseho amin'ny vehivavy bevohoka ny fivontosana amin'ny faritra maro amin'ny vatana. Ny hafanana dia mandrisika kokoa ny fivontosana. Ny fivontosana miseho amin'ny vehivavy bevohoka dia noho ny fivontosan'ny elanelan'ny sela. Antony fototra mahatonga azy ny fiasan'ny tsirimpanentana, ny lalan-drà voatery, ny tosi-drà... Ny telo volana farany amin'ny vanim-potoana hitondrana vohoka no tena miseho ny fivontosana... 

♦ Tanterahana rahampitso eny Ambohipo ny fanokafana ofisialy ny taon-jaobily faha-100 taona ny seminera zandriny... ♦ Nahemotra androany indray ny fihainoan'ny Pac ireo olona voasaringotra tamin'ilay volamena tratra tany Afrika Atsimo... ♦ Naaton'ny tambazotra sosialy Twitter ny kaontin'ingahy Donald Trump...  

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...