Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alakamisy 28 oktobra 2021 — Masindahy Simona sy Joda, Apôstôly — Midera Anao izahay, Ry Andriamanitra ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

♦ Voafidy ireo solontena roa avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena, handrafitra ny CENI vaovao... ♦ Nitondra valin-kafatra ho an'ireo manakiana ny fotodrafitr'asa ataon'ny fitondrana ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, androany... ♦ Mpilalao vaovao miisa efatra indray, no nantsoin'i Eric Rabesandratana, handrafitra ny ekipan'ny Barea...

♦ Mitohy hatrany ny fanaraha-maso akaiky ireo mpanararaotra mampiakatra tsy ara-drariny ny vidin'entana ary ho saziana mafy ireo mbola minia manao izany... ♦ Manoloana izao fisokafan'ny sisin-tanin'i Madagasikara, dia hafainganina sy hatsaraina ny fanaraha-maso sy fanaovana fitiliana ireo mpandeha miditra sy mivoaka eny amin'ny Ivato... ♦ Maimaimpoana tanteraka ny fametrahana fitarainana ao amin'ilay vaomiera mpanadihady momba ny resaka fananan-tany eny amin'ny antenimieram-pirenena, an-jatony no efa voaray...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...