Alakamisy 28 oktobra 2021 — Masindahy Simona sy Joda, Apôstôly — Midera Anao izahay, Ry Andriamanitra ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Ry Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 12-19

Antso miantefa amin’olombelona ny famonjena, antso mifototra indrindra amin’i Kristy mba hinoana Azy sy hanarahana dia Azy ary hijoroana ho vavolombelony. Tao anatin’ireo namaly ny antson’i Kristy ireto nofidiny manokana ka nomeny anarana hoe Apôstôly, anisan’izy ireo i Simôna sy i Joda, ankalazaina fety anio, manome ohatra antsika amin’ny fiainana ny antson’Andriamanitra sy ny iraka nisafidianana antsika ao amin’ny Fiangonana.

Ireo Apôstôly roa ireo no mampianatra antsika fa tsy teny tononina fotsiny ny finoana fa fiainana anaty hamarinin’ny toe-piainana sy ny fomba amam-panao mifanaraka amin’izay sitrak’Andriamanitra. Maro isika no milaza fa mino, betsaka no milaza fa mpivavaka, fa inona kosa no vokatr’izany ? Inona no fiantraikan’izany ? Ary fomba ahoana no nentinao naneho izany ? Moa sahy hanao ny toy ny nataon’ireto Apôstôly ireto ve ? Maty martiry noho ny fitoriana ny Evanjely.

Mila Apôstôly marina, hiaina, hampita ary haharitra tsy hivadika amin’ny finoana izao andro diavintsika izao mba haneho eo anivon’izao tontolo izao ny fisian’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...