Alahady 24 mey 2020 — Alahady fahafito amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11 — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy i Jesoa, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

♦ Hisy fitsapa-pahaizana ho an'ireo mpianatry ny sekoly katôlika ao amin'ireo kilasy anelanelany amin'ny fiandohan'ny taom-pianarana vaovao... ♦ Efa misokatra sahady ny fisoratana anarana handraisana mpianatra vaovao amin'ireo facultés sasany eny Ankatso... ♦ Nahemotra ho amin'ny fotoana manaraka raha tokony ho omaly ny fandinihana an'ilay tolo-dalana vaovao momba sata mifehy ny mpanohitra...

♦ Niampy 45 indray ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika raha ny tarehimarika omaly... ♦ Ny Paositra Malagasy no mitatitra ireo tambavy CVO vokarin'ny IMRA, miainga eto Antananarivo ary aparitaka manerana ny Nosy... ♦ Minatso ireo parlemantera miatrika fivoriana ny fiatrahamonim-pirenena misehatra eo amin'ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana...

Vita ihany ny fanandramana hamaky magazay mpivarotra volamena an'ny tera-tany karana, na dia efa nihatra taman'aina mihitsy aza. Saingy mbola tsy nanana eritreritra izay hitodi-doha any an-tokantrano i Dera. Nifanena tamin'i Vola teny an-dàlana izy saingy tsy nahatadidy azy i Vola. Tany amin'ny trano famakiam-boky indray ny sedra manaraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...