Ny Lalam-panorenana no mandrafitrany toe-piainan'ny mpikambana tsirairay. Tokana ny lalam-panorenana, izay iainana sy halalinina ao amin'ny "novisia". Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.

Alahady 9 janoary 2022 — Ny Batemin'ny Tompo — Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe : Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 3, 15-16. 21-22

Ny Fitaizam-pahasalamana amin'ny lafiny rehetra dia  sarobidy satria ny fahasalamana no iankinan'ny fiainana manontolo. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ilaina tandrovina tsara. Ny fahasalamana dia tsy hoe "tsy fisian'aretina" fotsiny ihany, fa azo hadika ho fahatomombanana ara-batana, ara-tsaina, ara-pifandraisana sy ara-tsosialy ihany koa... 

♦ Niezaka nampitovy tadin-dokanga niaraka tamin'ireo fiaraha-monim-pirenena miisa 25 ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, tanjona ny hiady amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Nosantarina tao amin'ny distrika Tsihombe, Faritra Anosy ny fizaràna ambioka ho an'ny faritra atsimon'i Madagasikara hiatrehana ny taom-pambolena lehibe amin'ity taona ity... ♦ Miverina avokoa ny fampianarana any amin'ireo Faritra tsy voalaza tao anatin'ilay naoty farany navoakan'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...