♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fivoahan'ny horonam-peo ahenoana resaka mampieritreritra sy ny anaran'ny Minisitry ny Fitsarana, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara... ♦ Misy andro ratsy ahiana indray any amin'ny Ranomasimbe Indianina. Tombanana hivadika ho rivodoza izy io manomboka ny alahady izao, hoy ny eo anivon'ny Météo Madagasikara... ♦ Nisy andiana mpanakanto nivory androany, teny Anosy, manoloana ilay raharaha eo anivon'ny OMDA. Mitaky ny hanatsarana ny fitantanana eo anivon'ity Ofisy malagasy miahy ny zon'ny mpamorona ity, izy ireo...
♦ Tafakatra ho 92 ny isan'ny maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, farany teo. Tarehimarika ôfisialy navoakan'ny BNGRC... ♦ Tsy azo ekena intsony, hoy Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny fanotofana tsy am-piheverana ny faritra iva, toy ny misy ao an-drenivohitra ao... ♦ Mikarakara fikaonan-doha noho ny fidangan'ny vidim-piainana ankehitriny ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH...
Antsoina hiombona ao anatin'ny fiangonana isika. Antsoin'Andriamanitra hiaina ao anatin'ny fiangonana isika ary handray anjara mavitrika amin'ny asa fitoriana. Noho izany dia fiombonan'ireo nantsoin'Andriamanitra ny fiangonana. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
Alakamisy 10 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco