♦ Tafakatra ho 92 ny isan'ny maty vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, farany teo. Tarehimarika ôfisialy navoakan'ny BNGRC... ♦ Tsy azo ekena intsony, hoy Andriamatoa Razafimahefa Herimanana, Filohan'ny Antenimieran-doholona, ny fanotofana tsy am-piheverana ny faritra iva, toy ny misy ao an-drenivohitra ao... ♦ Mikarakara fikaonan-doha noho ny fidangan'ny vidim-piainana ankehitriny ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa, PMH...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...